2023
Lohatenin-dahatsoratra
Jolay 2023


“Ilay zanaka adala,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Ny fanoharan’ny Mpamonjy

Lioka 15:11–32

Ilay zanaka adala

Sary
Petadrindrina maneho ilay zanaka adala

Hisintona ny endrika PDF

Nangataka tamin-drainy ny anjara lovany ny zanakalahy mpikomy iray ka nandao ny tokantrano.

Nolaniany fahatany tamin’ny filibana ny zava-drehetra nomen-drainy azy.

Nisy mosary namely ka niasa ho mpamahana kisoa izy.

Indray andro dia tonga saina izy fa afaka mandeha mody sy mangataka fanampiana izy.

Rehefa tonga tany an-trano izy dia nangataka ny ho mpanompon’ny fianakaviany noho izy tsy nino fa mendrika ny horaisina ho zanaky ny rainy intsony.

Saingy namela ilay zanaka adala ny rainy ary nekeny ho zanany lahy izy. Koa nankalaza ny fiverenan’ilay zanakalahy ny iray trano.

Ny dikan’izany

Maneho antsika ilay zanaka adala rehefa mikomy amin’ny Raintsika any An-danitra isika. Saingy na taiza na taiza nalehantsika na toy inona na toy inona vitantsika dia irian’ny Ray any An-danitra ny hodiantsika any Aminy indray sy hiverenantsika indray amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Tsy voatery ho tonga lafatra akory isika. Tsy maintsy manenina sy manetry tena isika, manatona an’i Kristy ary mibebaka. Hotafian’ Andriamanitra voninahitra isika sy hasehony antsika ny tena fahamendrehantsika.

Hamoaka printy