2023
Miala voly kely
Jolay 2023


“Miala voly kely,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Miala voly kely

Sary
Miala voly kely

Hisintona ny endrika PDF

Lalana mifampidipiditra hizarana vaovao tsara

Nitsangana tamin’ny maty i Kristy ary anjaranao izao no mizara ilay vaovao mahafaly amin’ny olona faran’izay betsaka azo atao. Lalovy ny olon-drehetra eny amin’ireo lalana ao Jerosalema eo am-pivoahanao ny tanàna tsy an-kiverin-dalana.

Tadiavo ireo zavatra tsy mitovy

Iza amin’ireo ondry ireo no tsy mitovy amin’ny hafa?

Pitik’oram-panala amin’ny ririnina na fahavaratra

Nahary ny tany sy ny zava-drehetra ao amin’izany teo ambany fitarihan’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Anisan’izany ny oram-panala. Any amin’ireo toerana sasany eto ambonin’ny tany toa an’ny faritra sasany ao Afrika Atsimo, Arzantina, Aostralia ary Chili dia misy oram-panala ny tany ny volana jolay. Ary na dia mafana sy mibaliaka masoandro aza any amin’ny toeram-ponenanao dia mbola afaka manamboatra pitik’oram-panala ianao!

  1. Atombohy amin’ny sombin-taratasy efamira iray.

  2. Aforeto eo amin’ny fisasahany ilay taratasy mba hanaovana telozoro ary aforeto eo amin’ny fisasahany indray avy eo.

  3. Aforeto ho eo amin’ny ampaha-telony avy eo anoloana sy avy ao ambadika ilay telozoro.

  4. Hetezo ireo sisiny matsoko eny ambony.

  5. Avelao hiforitra hatrany ilay taratasy ary hetezo araka ny endriny nosafidianao.

  6. Velaro ilay taratasy mba hamoaka ny pitik’oram-panalanao.

Afaka mamorona izay endriny tianao manokana ianao na misafidy ny hanaraka ny sasany amin’ireto maodely ireto!

Tantara an-tsary

Sary
tantara an-tsary

Vonona ve ianao ny hanadio ity morontsiraka ity mba hisian’ny toerana ho an’ny fivoriam-pianakaviantsika?

Arie Van de Graaff

Valiny

Lalana mifampidipiditra hizarana vaovao tsara: Jereo etsy ambany. Tsy ity irery no hany valiny marina ho an’ity lalana mifampidipiditra ity. Raha efa nolalovanao avokoa ny olona tsirairay sy tody hatramin’ny farany, tsy an-kiverin-dalana, dia vitanao araka ny tokony ho izy ilay izy!

Sary
valiny amin’ilay lalana mifampidipiditra

Tadiavo ireo zavatra tsy mitovy: Ilay ondry fahatelo avy eny ambany no hafa amin’ny rehetra. Olioly ny volony ary manga ny fehi-tendany fa ireo ondry hafa ambiny kosa dia olioly volo ary mena ny fehi-tendany. Ireo ondry tso-bolo kosa dia manga ny fehi-tendany.

Hamoaka printy