2023
Tantara tena fohy miisa 11 momba ny fizarana ny filazantsara
Jolay 2023


“Tantara tena fohy miisa 11 momba ny fizarana ny filazantsara,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023

Tantara tena fohy miisa 11 momba ny fizarana ny filazantsara

Dia ahoana no azonao izarana izany koa!

Sary
zatovovavy; ankizy mivavaka

Asehoy fa afaka manampy ny filazantsara

Indray andro aho tany am-pianarana niara-nipetraka tamin’ny namako. Niomana ny hanala fanadinana izahay tamin’izay ka niteny tamiko izy fa matahotra be hono izy. Tsapako fa nila nampianatra azy ny fomba fivavaka aho. Avy eo dia samy nanondrika ny lohanay izahay ary nivavaka mangina mba hahazo fanampiana amin’ny fanadinana. Feno fankasitrahana aho fa afaka nampitony ny tahotr’ilay namako ny vavaka.

Abigail, Orogoay

Sary
zatovolahy; zatovo mamangy ramatoa antitra

Manompo olona sahirana

Nisy ramatoa antitra iray izay tao amin’ny paroasinay. Tsy afaka nanatrika nivantana ny fivoriana fanasan’ny Tompo izy satria manana olana ara-pahasalamana. Nangataka ny eveka izaho sy ny raiko raha azonay atao ny mitondra ny fanasan’ny Tompo any an-tranony isan-kerinandro. Nanomboka nandray ny fanasan’ny Tompo ihany koa ilay vady izay nalaindaina taloha. Ny hoe manangona an’i Isiraely dia midika fa mila manasa ny hafa hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy isika. Ampahany lehibe amin’izany ny fanompoana.

Shion, Utah, Etazonia

Sary
zatovovavy; ankizy milalao

Asao hanatrika fiaraha-mientana

Nandeha am-bisikileta nandalo fiangonana iray aho tamin’izay raha nahita olona maro be nandihy tao. Nantsoiko ny zatovolahy iray (nantsoina hoe Courage) ka nanontaniako azy ny zavatra nataon’izy ireo. Tonga mba hanatrika kilasy nantsoina hoe seminera izy ireo hoy izy. Nolazainy ahy fa hisy fiaraha-mientana iray ao am-piangonana ka nanontaniana aho raha te hiaraka aminy. Nanova ny fiainako tokoa i Courage, tamin’ny naha namako azy, tamin’ny alalan’ny fanampiana ahy hahafantatra momba ny filazantsara.

David, Ghana

Sary
zatovolahy; zatovo miakatra tohatra

Meteza ho ohatra

Nianatra zavatra maro avy tamin’ny zokikolahy aho. Tia milalao jeux vidéos sy baolina kitra aho, ary, tsoriko, fa raha tsy noho izy dia ho nanao ireo lalandava aho. Tiany koa ireo zavatra ireo ary imbetsaka izahay no miara-milalao azy ireo saingy manokana fotoana hitomboana sy hivoarana foana izy. Tsy ho hadinoko velively ny nanasana ahy handrongony tany am-pianarana. Tany amin’ny rahalahiko avy hatrany ny eritreritro ary fantatro ny zavatra ho nosafidiany; satria te ho tahaka azy aho dia nandray fanapahan-kevitra tsara ka niteny hoe tsia.

Emilio, Tennessee, Etazonia

Sary
zatovovavy; ankizivavy mifamihana

Ampio ny hafa hahatsapa ny fitiavan’i Kristy

Nahatsapa tena ho irery tokoa aho nandritra ny fihaonambe HZM iray. Nivavaka isan’andro aho, nanantena ny hahatsapa ny Fanahy sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy. Taorian’ny iray tamin’ireo lahateny dia nisy zatovavy iray tsy dia fantatro loatra nanatona ary namihina ahy. Nahatsapa ny fitiavan’i Kristy aho tamin’ilay fihina nomeny, toy ireny hoe niteny tamiko ireny Izy hoe tiany aho.

Natalie, Chili

Sary
zatovovavy; ankizivavy mitazona telefaonina

Araho ny bitsiky ny Fanahy

Indray andro aho dia nahazo fitaomam-panahy fa tokony hanasa ny namako akaiky ahy indrindra tany am-pianarana mba hanatrika fampaherezam-panahy iray. Tsy te hihaino ilay bitsika aho saingy nandefasako hafatra izy nony farany, iray andro nialoha. Niara-nipetraka izahay nandritra ilay fampaherezam-panahy. Natahotra aho. Saingy rehefa tapitra ilay fivoriana dia tsikitsiky be no teny amin’ny endriny. Fampahatsiahivana ho ahy izany fa Andriamanitra dia mahafantatra ireo zanany tsara kokoa noho izaho ary izaho dia tokony hanaraka lalandava ireo fitaomam-panahy mba hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Eliza, Minnesota, Etazonia

Sary
zatovolahy; zatovo ao amina toeram-pilalaovana

Mivavaha mba hahafantatra izay hotenenina

Izaho sy ny anabaviko no hany mpikamban’ny Fiangonana ao am-pianaranay. Tsikaritry ny olona fa miavaka izahay ka mametraka fanontaniana foana izy ireo. Tamin’ny voalohany aho dia natahotra ny hiresaka tamin’izy ireo kanefa nivavaka aho mba ho afaka ny hiteny ny zavatra mila lazaina; koa dia nihaino ahy izy ireo ary nanaja ireo safidiko.

Ruben, Norvège

Sary
zatovovavy; ankizivavy mitazona fitaovana nomerika

Zarao an-jotra ireo fahamarinan’ny filazantsara

Mba hitadiavana tanjona iray dia nizaha ny Avia, hanaraka Ahy aho ka nahita soratra masina sy teny notsongaina izay milaza ny mba hizarana zavatra ao amin’ny tambajotran-tserasera. Nahazo fanamarihana maro avy tamin’ny olona aho nilaza fa nahatsapa ny Fanahy izy ireo tamin’ny alalan’ireo zavatra nozaraiko. Afaka manampy ny hafa amin’ny fomba tsy takatry ny saintsika eo no ho eo ny fizarana ny filazantsara.

Raquel, Brezila

Sary
zatovovavy; ankizy any am-pianarana

Aoka hanana saina tia mamorona

Nandritra ny iray tamin’ireo taranjanay tany am-pianarana dia namaky boky iray izay nanakiana ny Fiangonana izahay. Fantatro fa tsy maintsy mitsotra ny amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara naverina amin’ny laoniny aho. Koa dia nanangan-tanana aho. Navelan’ny mpampianatra hiteny aho saingy tsy nahita holazaina aho. Noho ny antony tsy fantatro dia nanomboka nihira ireo hira milaza momba ireo Fanekem-pinoana aho. Tsy nampoiziko fa nisy fanajana lalina nanerana ny efitrano. Taorian’izay dia tsy dia nisy fikorotanan-tsaina firy, ary ny mpampianatra ahy sy ireo mpiara-mianatra amiko dia nandray ireo fifanakalozan-kevitra tao am-pianarana sy ny tenako tamim-panajana kokoa.

Monique, Massachusetts, Etazonia

Sary
zatovovavy; fianakaviana ao an-tokantrano

Aoka ianao ho fahazavana

Fony aho 15 taona dia nanapa-kevitra aho fa hanomboka hitady fiangonana haleha. Andro vitsy taty aorina dia lasa mpinamana izaho sy ny ankizivavy iray tany am-pianarana izay toa manana hazavana eny aminy. Herinandro vitsivitsy taty aorina dia nasainy hankany an-tranony aho. Rehefa tonga tany aho dia nasain’ny fianakaviany aho handray anjara amin’ny takarivan’ny mpianakavy. Lasa liana tamin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho. Fahalianana izay mifototra indrindra tamin’ny hafaliana lehibe teo amin’ny fianakavian’ilay namako tamin’io takariva io.

McKaylie, Colorado, Etazonia

Sary
zatovolahy ; zatovolahy miresaka

Aoka ho ny fitiavana no manentana anao hizara ny filazantsara

Namporisika ahy hihaona tamin’ireo misiônera ny zanakavavin’ny rahavavin’ny zokin’ny reniko. Raha ny hevitro dia satria tiany aho hahazo ireo fitahiana rehetra azony tamin’izany fotoana izany. Tsapako fa ilay zana-drahavavin’ny neninay sy i Enoch namako dia tia ahy ary naniry zavatra tsara ho ahy. Nahatonga ahy haharisika tokoa hankany am-piangonana izany.

Eric, Ghana

Hamoaka printy