2023
Rehefa mandratra anao ny safidin’ny hafa
Jolay 2023


“Rehefa mandratra anao ny safidin’ny hafa,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Rehefa mandratra anao ny safidin’ny hafa

Ireto misy zavatra vitsivitsy mila tsiahivina rehefa mampiasa ny fahafahany misafidy amin’ny fomba izay mandratra anao ny hafa.

Sary
zatovovavy miaina fihetseham-po tsy tsara

Sary nataon’i Shana Keegan

Manao safidy maro be ianao isan’andro ianao—inona no hanaovana, inona no ho atao sakafo maraina, iza no namana hiarahana miala voly. Ny fahafahana misafidy na ny fahalalahana ny hisafidy sy hanao zavatra dia iray amin’ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra antsika.

Miteraka vokany koa ireo safidintsika ary indraindray dia mety handratra antsika ny safidin’ny olon-kafa. Raha toa ianao ka efa bedy noho ny safidin’ny rahalahinao, dia fantatrao ny maha sarotra ny toe-javatra iray rehefa misafidy ny hampiasa ny fahafahany misafidy amin’ny fomba tsy tianao ny olon-kafa.

Kanefa dia misy zavatra ratsy lavitra aza azon’ny olona ampiasaina ny fahafahany misafidy. Mety hietraketraka aminao ny ankizy any am-pianarana na mety hanapa-kevitra ny hiala amin’ny Fiangonana ny olona iray ao amin’ny fianakaviana. Maro ireo fotoana izay toa ahatsapana hoe tsy rariny ny fiainana. Kanefa anie ianao dia miezaka mampiasa ny fahafahanao misafidy mba hanaovana safidy tsara e—koa inona no antony tsy hanaovan’izy ireo izany?

Mazava ho azy fa tsy azonao fehezina ny hafa. Saingy ny vaovao tsara dia hoe azonao ovaina ny tenanao. Ny paikady dia ny manova ny zavatra ifantohanao sy ny manao safidy tsara na rehefa tsy manao izany aza ny hafa.

Ireto misy zavatra vitsivitsy mila tsiahivina mahakasika ny firosoana am-pinoana, na rehefa mampiasa ny fahafahany misafidy amin’ny fomba izay mandratra anao aza ny hafa:

  1. Nikatsaka ny handrava ny fahafahana misafidy i Satana (jereo ny Mosesy 4:3). Na dia sarotra aza ny mahita ny hafa manao safidy ratsy, ianao koa dia afaka ny hanao safidy tsara mba hanaraka an’i Jesoa Kristy sy ho tonga tahaka Azy kokoa!

  2. Misy fiantraikany ny zavatra ataonao. Tsarovy ny hoe: “Manana safidy malalaka isika, saingy tsy afaka misafidy ny voka[ny]”1 Afaka ny ho fampahatsiahivana tsara ho anao mba hanao safidy izay tsy manimba ny tenanao na ny hafa ny fahitana ny fiantraikan’ny safidin’ny hafa eo aminao.

  3. Tompon’andraikitra amin’ny safidy ataony ny olon-drehetra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78). Tsy voatery hovesaran’ny fahatsapan-tena ho tompon’andraikitra amin’ny fanovana ny olona na ny safidiny ianao. Fa afaka mifantoka kosa amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara sy manaraka an’i Jesoa Kristy.

  4. Afaka misafidy ny ho tsara fanahy ianao. Mety ho misy olona manao ratsy fanahy aminao saingy mbola afaka ny ho tsara fanahy aminy ianao. Mila herim-po ny hoe tsara fanahy aman’olona sy mamela azy rehefa manao ratsy fanahy aminao izy, izany mihitsy anefa no ho nataon’i Jesoa Kristy (jereo ny Lioka 23:34).

  5. Tokony hifantoka amin’ny zavatra azonao fehezina ianao. Mety tsy ho afaka ny hanakana ny ray aman-dreninao tsy hisaraka ianao, ohatra, saingy afaka misafidy ny hifantoka amin’ny fijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, manampy ireo iray tam-po aminao, mianatra momba ny fifandraisana tsara sy mametraka tanjona ho an’ny fiainan-koavinao ara-pianakaviana. Misafidiana ny hanova ireo fanamby atrehanao ho lasa fahafahana hitomboana sy hianarana.

  6. Manana toetra araka an’ Andriamanitra ianao ary manana tanjona. Rehefa tsaroanao ny maha zanak’ Andriamanitra anao ary miverina mifantoka amin’ireo tanjonao eo amin’ny fiainana ianao, dia afaka mahita izay manan-danja indrindra ao anatina toe-javatra iray. Ny fifantohanao amin’ireo tanjonao sy ny fahitanao fa ireo fanamby ireo dia ampahany kely monja amin’ny tantaram-piainanao dia afaka manampy anao handroso am-pinoana.

  7. Afaka ny hahita fiadanana ho an’ny tena manokana ianao amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy, eny fa na dia rehefa tsy milamina aza ny manodidina anao. Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Isika dia afaka mahatsapa fiadanana sy fifaliana maharitra, na dia mandritra ny fotoana mampihotakotaka aza.”2 Toy ny ranomasina asamboaravoaran’ny rivotra ny fiainana ary mora foana ny maniry ny mba hampitonian’ Andriamanitra ireny rivo-mahery ireny. Kanefa indraindray dia tsy ny ranomasina no ampitoniany fa isika, izay tantsambo. Mitodiha any Aminy miaraka amin’ireo olanao dia hanampy anao Izy.

Sary
zatovovavy

Nomen’ Andriamanitra fahafahana misafidy ianao mba hahafahanao misafidy ny hanaraka Azy ka ho tonga tahaka Azy vokatr’izany. Rehefa manao izany ianao dia hianatra ho azy avy amin’ireo safidinao sy fahadisoanao ary avy amin’ny safidin’ny hafa. Na dia mafy aza ny mijery ny olona manao safidy izay mandratra anao dia afaka mianatra avy amin’ireny traikefa ireny ianao ary miroso omban’ny fananana tanjona sy finoana ary fifaliana.

Hamoaka printy