2023
Mifikitra amin’ny fahamarinana
Jolay 2023


“Mifikitra amin’ny fahamarinana,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Mifikitra amin’ny fahamarinana

Sary
zatovovavy mihazona bola-na fahazavana

Sary nataon’i Ben Simonsen

Tamin’ny fotoana voalohany nahitako trano fiangonana iray dia noheveriko ho hôpitaly izany. Nadio be sy nangina izany. Avy dia tiako ny filazantsaran’i Jesoa Kristy raha vao nanatrika fivoriam-bavaka aho.

Nanomboka nampianatra ahy ireo Rahavavy misiônera ary nanapa-kevitra ny hatao batisa aho. Izany no andro tsara indrindra!

Ny mpiray vodirindra tamiko izay misiônera nahavita asa fitoriana no nampahafantatra ahy ny filazantsara. Niantso ahy izy indray alahady maraina ary nanasa ahy hiaraka aminy sy ny fianakaviany ho any am-piangonana. Tamin’ny voalohany dia nolazain-dreniko fa tsy afaka ny handeha aho noho izahay tsy nanam-bola ho an’ny saram-pitaterana. Rehefa nolazaiko ilay mpiray vodirindrina tamiko izany dia nilaza izy hoe ho alainy hono aho ka dia navelan’ny reniko nandeha aho.

Na dia tsy maintsy ianao irery aza no manao izany

Taorian’ny batisa dia nandalo fotoan-tsarotra maro aho teo amin’ny fianakaviako. Indraindray dia tian’izy ireo hijanona ao an-trano aho ny alahady saingy naleoko nisafidy ny hankany am-piangonana. Sarotra ny niezaka nijanona teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana tamin’ny ankapobeny.

Nisy tamin’ireo olona tao amin’ny fianakaviana no nanohitra ny Fiangonana ka nilaza tamiko fa nanao safidy ratsy aho raha niditra ho mpikambana. Rehefa miteny izany amiko izy ireo dia tonga ato an-tsaiko ireto teny ireto: “Fantatro fa velona ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Fantatro fa marina ny Fiangonana.” Nanampy ahy hifikitra amin’ny fahamarinana ireo eritreritra ireo.

Afaka ny hisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny hafa ny zavatra ataontsika

Fony aho nanana olana tamin’ny fomba fandoavana fahafolonkarena dia nasehon’ilay mpiray vodirindrina tamiko ny fandoavana izany. Amin’izao rehefa manome vola kely ahy ny reniko dia mandoa fahafolonkarena foana aho. Nahita fitahiana avy tamin’izany izaho sy ny fianakaviako. Nanomboka nomen’ny fianakaviako ahy aza ny volan’izy ireo mba hakana handoavana fahafolonkarena! Nahagaga be izany.

Matetika aho no mandeha irery any am-piangonana fa indrindray ny reniko miaraka amiko. Nanapa-kevitra ny hianatra misimisy kokoa momba ny filazantsara ny reniko ary hitany ho mahafaly izany na dia tsy mbola vita batisa aza izy.

Mahatonga fiovam-po ny vavaka sy ny finoana

Hitako teo amin’ny fiainan’ny fianakaviako ny tanan’ny Tompo rehefa nivavaka ho azy ireo aho ary nangataka ny hafa mba hivavaka ho azy ireo any amin’ny tempoly. Lasa manohana kokoa ireo olona ao amin’ny fianakaviako ary amin’izao izy ireo dia mamporisika ahy hankany am-piangonana sy tsy hiova amin’ny maha izaho ahy.

Maty vao haingana ny raibeko ary hitako ny anarany nandritra ny fanaovana tantaram-pianakaviana. Nangataka tamin’ny raiko aho raha toa aho ka afaka ny hampanao ôrdônansy ho azy any amin’ny tempoly. “Ataovy izany raha izany no zavatra mety,” hoy izy.

Fifaliana sy fahasambarana marina

Nitondra fifaliana, fahasambarana sy fiadanana ary fampiononana ho ahy ny famakiana soratra masina sy ny fahafantarana momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Fantatro fa amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy dia afaka ny hiaraka amin’ny Raiko any An-danitra indray aho ary afaka ny hiaraka amiko mandrakizay ny fianakaviako raha voafehy any amin’ny tempoly izahay indray andro any.

Avy any Vanuatu ny mpanoratra ary mipetraka ao Fiji.

Hamoaka printy