2023
Fomba 4 hanohanana namana izay ao anatina fianakaviana tsy mpikambana daholo ny olona ao aminy
Jolay 2023


“Fomba 4 hanohana namana izay ao anatina fianakaviana tsy mpikambana ny olona sasany ao aminy,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Fanampiana amin’ny fiainana

Fomba 4 hanohana namana izay ao anatina fianakaviana tsy mpikambana ny olona sasany ao aminy

Afaka manampy ny olon-drehetra hahatsapa ho tiana sy voakarakara ao am-piangonana ianao na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra misy azy ireo.

Misy amin’ny endriny rehetra ny fianakaviana. Ireo olona hitanao ao am-piangonana, ohatra, dia mety hisy olona ao amin’ny fianakaviany izay tsy mpikamban’ny Fiangonana na nisafidy ny hiala tamin’ny Fiangonana. Raha tsy misy ny fanohanan’ny fianakaviana dia mety ho sarotra ho an’ny olona ny handray anjara ao am-piangonana na dia ny mahatsapa aza hoe manana ny toerany izy.

Dia izay no ilana anao!

Afaka ny mandray anjara lehibe amin’ny fitahiana ireo karazana fianakaviana rehetra ianao, ao anatin’ny toe-javatra misy rehetra. Ireto ary misy fomba vitsivitsy azonao hanampiana:

Sary
zatovovavy iray mivavaka

Sary nataon’i Oksana Grivina

Mivavaha mba hahazoana fanampiana

Mivavaha mba hahafantarana ny fomba ahafahanao manampy ireo izay tonga any am-piangonana sy ny fianakavian’izy ireo. Aoka ianao ho vonona ny hanao asa mifanaraka amin’ireo valiny azonao.

Sary
namana sy fianakaviana

Fantaro ilay fianakaviana

Raha azo atao dia ezaho ny hahafantatra ny fianakavian’ilay namanao iray manontolo. Hanampy anao izany hahafantatra ny fanohanana azon’ilay namanao ao an-tokantrano sy ny maha sarotra ho azy ireo ny mandray anjara any am-piangonana. Rehefa fantatrao tsara kokoa ilay fianakaviana dia afaka ny hahazo fitaomam-panahy ianao ny amin’ireo fomba manokana izay ilaina.

Sary
zatovo miakatra tohatra

Alaivo antoka fa miaina tsy tapaka ny filazantsara ianao

Maro ny olona no lasa liana amin’ny Fiangonana rehefa mahita mpikambana miaina ny zavatra inoany. Tsy hoampoizinao mihitsy hoe iza no mijery anao. Afaka mahavita zavatra maro ianao amin’ny alalan’ny fiainana tsotra fotsiny ny filazantsara. Hitahy ny fiainanao ny fanaovana izany ary afaka ny hanampy hitondra ny fahazavan’ny filazantsara amin’ireo manodidina anao.

Sary
olona samy hafa

Aoka ho tsara fanahy tsotra izao fotsiny

Aza amaivanina ny fiovana lehibe mety hoentin’ny hatsaram-panahy tsotra. Ohatra:

Raha mahita olona mipetra-drery ao am-piangonana ianao dia mipetraha eo akaikiny na asao hiara-hipetraka amin’ny fianakavianao izy.

Raha tsy afaka mankany am-piangonana irery na manatrika fiaraha-mientana hafa irery izy ireo dia manolora-tena hitondra azy na asao izy ireo hiaraka amin’ny fianakavianao.

Manan-danja ihany koa mampandray anjara ny namanao amina fiaraha-mientana. Mety hoe zava-bitika ny fanasana hanatrika fiaraha-mientan’ny paroasy na an’ny fianakaviana saingy afaka manampy ny namanao hisafidy ny hitoetra ho akaikin’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany izany raha toa izy ireo ka ampandraisina anjara.

Hamoaka printy