2023
Angony—Aza aparitaka
Jolay 2023


“Angony—Aza aparitaka,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Asan’ny Apostoly 10

Angony—Aza aparitaka

Tsy miangatra na amin’iza na amin’iza Andriamanitra ka tsy tokony hanao izany koa isika.

Sary
olona samy hafa

Sary nataon’i Travis Constantine

Herinandro vitsivitsy taorian’ny nahatongavako tany Alemana tamin’ny naha misiônera ahy dia nandondòna ny varavaran’ny ramatoa lehibe iray izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko. Nanaiky ny hampianaranay azy izy.

Nandritra ilay lesonay voalohany dia nasainay izy hamaky mafy andinin-tsoratra masina iray. Nampiasa solomaso matevina izy. Tamin-kasarotana lehibe no namakiany teny ary niambakavaka izaitsizy. Ary valinteny fohy no asetriny ireo fanontanianay. Tsy azonay antoka hoe toy ny ahoana ny fahatakarany.

Nasainay namaky andinin-tsoratra masina sasantsasany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy nialoha ny fotoana nihaonanay manaraka. Rehefa tonga indray izahay dia novakiny tokoa ireo saingy toa tsy takany akory izany. Nanontany tena izahay hoe sao dia mety manana olana amin’ny fianaran-javatra izy. Nanontany tena izahay raha toa ka tokony hanohy hampianatra azy. Saingy notohizanay ihany.

Tamin’ny fihaonanay manaraka dia gaga izahay rehefa niteny izy hoe maniry ny hatao batisa izy. Avy eo rehefa nanohy nampianatra azy izahay dia tsikaritray fa nihatsara tokoa ny famakian-teniny. Mbola valinteny fohy no asetriny ireo fanontanianay saingy toa nihatsara kokoa sy azo antoka kokoa.

Tsy ela aho dia nafindra tany amina tanan-dehibe iray hafa saingy nanoratra tamiko ilay mpiara-manompo tamiko fa natao batisa izy ary notohanan’ireo mpikambana tao amin’ilay sampana. Raha herinandro maromaro talohan’izay ianao no nanontany anay hoe toy ny ahoana ny olona azo inoana fa ho atao batisa sy hanana ny toerany ao amin’ny Fiangonana, dia tsy mba izy loatra no tao an-tsainay.

Ary noho izany izahay dia nianatra lesona nampianarina fahiny—ilay lesona izay nianaran’ny Apôstôly Petera taloha ela be sy mila tohizantsika rehetra ny mianatra azy: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra” (Asan’ny Apostoly 10:34).

Fiovana lehibe

Nitarika ny Fiangonana nandritra ny fotoan-tsarotra i Petera. Nodidian’ny Mpamonjy ireo Apôstôly hoe: “Mandehana any amin’izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olona rehetra” (Marka 16:15). Saingy hatramin’izay dia teo anivon’ny Jiosy ihany no nitorian’izy ireo sy nanaovany batisa.

Avy eo dia nisy zavatra lehibe maro nitranga. Nisy kapiteny Romana iray nantsoina hoe Kornelio—miaramila Jentilisa fa tsy Jiosy, izay nisalotra fanamiana nitovy tamin’ireo izay nanombo an’i Jesoa Kristy—nahita anjely iray tao anaty fahitana. Nasain’ilay anjely i Kornelio mba haniraka olona haka ny lehilahy iray nantsoina hoe Petera mba hampianatra azy. Fotoana fohy taorian’izay dia nahita fahitana iray i Petera. Tamin’izany dia nahita sakafo izay noraran’ny lalàna Jiosy izy kanefa nasaina nihinana izany satria Andriamanitra no efa nanadio izany. Vantany vao tapitra io fahitana io dia tonga ireo mpanompon’i Kornelio ka nangataka azy mba hiaraka amin’izy ireo. Notenen’ny Fanahy i Petera hoe mandehana.

Fantatr’i Petera ny dikan’ilay fahitana rehefa taorian’ny fihaonany tamin’i Kornelio sy ny fahitany ny halehiben’ny hatsaran-toetrany sy ny fahatokiany. Nila notoriana tamin’ny Jentilisa toa an’i Kornelio ihany koa ny filazantsara. Tamin’izany no nampiloa-bava an’i Petera hoe: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenenea rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany” (Asan’ny Apostoly 10:34–35). Nampianarin’i Petera momba an’i Jesoa Kristy i Kornelio dia nasainy izy sy ny ankohonany mba hatao batisa. (Jereo ny Asan’ny Apostoly 10.)

Nanamarika fiovana lehibe teo amin’ny Fiangonana tany am-boalohany ny fitondrana ny filazantsara nankany amin’ny Jentilisa. Sarotra ho an’ny olona sasany ny nanaiky io fiovana io. Kanefa izay no zava-marina satria izany dia nampianatra fahamarinana fototra iray momba an’ Andriamanitra sy ireo mpiara-belona amintsika.

Tsy misy fiangarana

Rehefa mitahy ny zanany Izy, Andriamanitra dia tsy maneho fiangarana ka hoe mijery fiaviana, volon-koditra, ny maha lahy na maha vavy, harena, fianarana, fahaiza-manao, endrika ivelany na izay mety ho fahasamihafana manasaraka ny olona.1 Ho azy dia “iray ihany no [fiheviny] ny nofo rehetra; izay marina no ankasitrahan’ Andriamanitra” (1 Nefia 17:35). Afaka manatona Azy ny rehetra satria “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra” (2 Nefia 26:33). Izy dia “mijery ny fo” (1 Samoela 16:7). Ireo izay “marina, … tia famindram-po, ary … [mandeha] amin’ny fanetren-tena” no ekeny (Mika 6:8).

Na iza na iza dia afaka manatona an’i Jesoa Kristy, manao fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra ary manaraka ny fomban’ Izy Ireo. Ary io fahamarinana io no tokony hitarika ny fomba izarantsika ny filazantsaran’ny Tompo sy ny fitiavany.

Tsy azontsika atao tsotra izao ny mijery ny endrika ivelan’ny olona iray dia mihevitra fa hoe tsy ilay “karazana” olona natao handray ny filazantsara izy. Tsy azontsika atao tsotra izao ny mametraka sokajy araka izao tontolo izao dia mihevitra fa ireo sokajy ireo no mamaritra fa tsy afa-miditra am-piangonana izy ireo. Tsy afaka ny manapa-kevitra tsotra izao isika ny tsy hanompo olona iray satria fotsiny hoe tsy mitovy firehana ara-politika amintsika izy na tsy mitovy fialam-boly amintsika na tsy mitovy fitiavan-javatra amintsika izy.

Tsy toy ny fitambarana sokajin-javatra maneho karazana vondrona na toetra no ahitan’ Andriamanitra ny olona iray. Zanany no ahitany ny olona iray. Ary amin’izany fomba izany no tokony hahitantsika ny olona tsirairay avy—olona tsy manam-paharoa manana zara sy fahafahana mitovy amintsika hanatonana an’ Andriamanitra.

Meteza ho mpanangona

Namporisika antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba handray anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely.2 Kanera raha, tsy toa an’ Andriamanitra isika, misafidy ny “[hi]zaha tavan’olona” amin’ny resaka fizarana ny filazantsara sy ny fampidirana olona am-piangonana, dia mety hanaparitaka na hampisara-bazana kokoa isika fa tsy manangona sy mampiray.

‘Ndeha isika tsirairay avy hanao ny fanoloran-tena hoe: tsy hanaparitaka intsony. Meteza ho mpanangona. Mitiava, mizarà, manasà.

Izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko dia tsy nahazo antoka raha toa tena ho vita batisa ilay ramatoa nampianarinay tany Alemana na tsia. Tsy hainay ny tany am-pony fa Andriamanitra kosa nahafantatra. Faly aho fa nahatsapa notaomim-panahy mba hanohy hampianatra azy izahay.

Rehefa miezaka ny manaraka ny Fanahy ianao ary miezaka ny tsy hizaha tavan’olona dia ho voatarika ianao mba hanampy ireo manodidina anao mba hanatona an’i Kristy, na toy inona na toy inona fahasamihafana misy.

Hamoaka printy