2023
Ahoana no ahafahako ho tonga fianarana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviako izay mananosatra ho azy ny miaina ireo fampianaran’i Jesoa Kristy?
Jolay 2023


“Ahoana no ahafahako ho tonga fianarana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviako izay mananosatra ho azy ny miaina ireo fampianaran’i Jesoa Kristy?” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Fanontaniana sy valiny

“Ahoana no ahafahako ho tonga fianarana ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviako izay mananosatra ho azy ny miaina ireo fampianaran’i Jesoa Kristy?”

Mampisehoa sy manompoa ary mizarà

Sary
zatovovavy

“Ampisehoy ny fianakavianao ny antony hahatsapanao fahasambarana noho ny fiainanao ny filazantsara. Azonao atao ny manompo azy ireo sy mizara traikefa amin’izy ireo. Azonao atao koa ny manasa misiônera hanatrika takarivan’ny mpianakavy ao an-tranonao.”

Luciana M., 18, Mendoza, Argentine

Mikatsaha ny hahatakatra

Sary
zatovovavy

“Efa nanao zavatra tsy nifanaraka tamin’ireo fenitr’ Andriamanitra ny olona sasany ao amin’ny fianakaviako. Ezaho ny hahatakatra ny antony mahatonga azy ireo manao ny zavatra ataony. Tsy midika izany hoe voatery hanao ny zavatra ataon’izy ireo ianao. Ny manan-danja indrindra dia ny mitia azy ireo na inona na inona ataony na teneniny.

Melody E., 13, Texas, Etazonia

Manaraha ny Mpamonjy

Sary
zatovovavy

“Miezaka ny ho fianarana ho an’ny fianakaviako aho amin’ny alalan’ny firesahana momba ireo fampianaran’ny Fiangonana. Miezaka ny maka tahaka mandrakariva an’i Kristy aho. Fantatro fa raha manaraka Azy aho dia afaka ny ho ohatra tsara ho an’ny fianakaviako sy hanampy amin’ny fitondrana ny fahazavan’i Kristy ho eo amin’ny fiainan’izy ireo.”

Adalia C., 19, Rio Grande do Sul, Brésil

Mihainoa hira mankahery

Sary
zatovovavy

“Haino vaky jery mitondra ny Fanahy ho ao an-tranoko no mameno ny tontoloko. Ny fitendrena fihirana amin’ny pianô dia manampy ahy hahatsapa fifaliana na dia miatrika ady mafy aza ireo olona ao amin’ny fianakaviako. Manohiza miantehitra amin’ny Mpamonjy mba hahazoana fifaliana sy fiadanana na dia tsy manao toy izany aza ny hafa manodidina anao.”

Lauren B., 14, Maryland, Etazonia

Tiavo izy ireo

“Tsy afaka manova ny safidin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao ianao tahaka ny tsy hahafahan’izy ireo manova ny anao saingy afaka mitia azy ireo foana ianao. I Kristy dia nampiseho fitiavan-dehibe tamin’ireo olona tsy niombon-kevitra Taminy eny fa tamin’ireo izay tsy tia Azy ary. Zanak’ Andriamanitra avokoa ny rehetra ary hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra izy ireo amin’ny alalan’ny fitiavanao.

Brooklyn D., 17, Utah, Etazonia

Katsaho ny hahita araka ny fomba ahitan’i Kristy

Sary
zatovolahy

“Afaka manampy antsika hahatakatra ny zavatra mianjady amin’izy ireo ny fananana fitiavana tahaka ny an’i Kristy sy ny fiezahana ny hahita azy ireo mihoatra ny fahalemeny. Mahatakatra tanteraka ny mahazo antsika tsirairay avy i Jesoa Kristy. Ary afaka manomboka mandray sy manampy ny hafa araka izay ho nataony isika rehefa mangataka Azy hitarika antsika.”

John K., 17, Indiana, Etazonia

Aza mitsara

“Mianatra ny mitia azy ireo, ho tsara fanahy amin’izy ireo ary tsy mitsara azy ireo aho.”

Logan C., 18, Utah, Etazonia

Hamoaka printy