2023
Meteza ho valim-bavaky ny olona
Jolay 2023


“Meteza ho valim-bavaky ny olona,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Asan’ny Apostoly 3

Meteza ho valim-bavaky ny olona

Manampy antsika hitondra fiovana ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy.

Sary
I Petera sy i Jaona manasitrana lehilahy iray ao amin’ny tempoly

Such as I Have I Give Thee [Izay ananako no omeko anao], nataon’i Walter Rane

I Petera sy i Jaona manasitrana lehilahy iray ao amin’ny tempoly.

Mety hahatsapa ho tsy dia manana homena firy ianao. Kanefa manana finoana an’i Jesoa Kristy ianao ary ny finoanao Azy dia ampy hitarika anao ho amina zavatra izay mahatalanjona kokoa.

Fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nankany amin’ny tempoly i Petera sy i Jaona ka sendra lehilahy iray tsy afa-namindra izay nipetraka teo ivelany ka nangata-bola tamin’izy ireo.

Hoy i Petera tamin’ilay lehilahy hoe: “Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mitsangantsangàna” (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:6; nampiana fanamafisana).

Nosintonin’i Petera ilay lehilahy hijoro. Sambany teo amin’ny fiainany ilay lehilahy no afaka nitsangana. Namindra sy nitsambikimbikina nentanin-kafaliana izy. Ny finoan’i Petera an’i Kristy no nanome azy ny risi-po hanasitrana ilay lehilahy tamin’ny alalan’ny herin’ny fisoronana.

Aleo aloha tsorina ny marina. Mety hoe tsy hahasitrana foana ny fahavoazana ara-batana manjo ny rehetra akory ianao. Saingy afaka manampy amin’ny fomba hafa ny finoanao. Afaka manome izay anananao, tahaka an’i Petera ianao.

Sary
zatovolahy

Sary avy amin’ny Getty Images

Mitondra fiovana

Efa nivavaka ve ianao mba hahatsapana ho tsy dia manirery firy? Na mba ho namanao ny olona iray?

Efa nisy olona nitsidika na niantso na nandefa hafatra anao ve tamin’io fotoana io? Mety ho nanaraka bitsiky ny Fanahy sy niezaka ny hivoatra toa anao koa izy ireo. Ny hany nataon’izy ireo dia ny nampiasa tamim-pahatokiana ampahany kely tamin’ny fotoana nananany sy ampahany tamin’ny herim-pony ary sombiny tamin’ny hatsaram-panahiny. Amin’ny teny hafa dia ny hoe izay mba nananany. Azonao atao koa ny mamela ny finoanao hanosika anao hanao asa mifanaraka amin’ireo bitsiky ny Fanahy.

Nampianatra ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Andraikitra masina ananantsika ny hianatra hamantatra ny fitaoma[n’ny Fanahy Masina] eo amin’ny fiainantsika ary hamaly izany.”1

Tsy ho tsikaritrao mandrakariva hoe oviana ianao no nitondra zava-tsoa teo amin’ny andron’ny olona iray na koa raha nanao izany ianao, koa mety ho sarotra ny mahita ny tanjon’ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy.

Kanefa ny fiezahana manompo, manao izay vitanao, dia hahatonga anao hatsapa fifaliana sy hahatsapa tena ho nahavita zavatra na dia tsy hitanao foana aza izay vokany. Rehefa mihaino ireo bitsiky ny Fanahy ianao, dia hanampy anao ny Fanahy Masina hianatra ny fomba hanompoana ny hafa na dia tototra aza ny fandaharam-potoanao. Araka ny nampianarin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny vavaka dia valiana … amin’ny ankamaroan’ny fotoana … amin’ny alalan’ny fampiasan’ Andriamanitra olona hafa. Mivavaka aho mba hampiasany antsika. Enga anie isika mba ho valim-bavaky ny olona.”2

Fifaliana ho an’ny olon-drehetra

Afaka ny ho valin’ny vavaky ny olon-kafa ianao amin’ny alalan’ny fanaovan-tsoa ary hahita fifaliana eo am-panaovana izany—sy any amin’ny fiainana mandrakizay. Araka ny nampianarin’ny Loholona Rasband hoe: “Tonga toy ny fiadanana eo anivon’ny fahasarotam-piainana [na] ratram-po izany fifaliana izany. Mitondra fiadanana sy fankaherezana izany, manazava ireo fahamarinan’ny filazantsara, ary mampitombo ny fitiavantsika ny Tompo sy ny zanak’ Andriamanitra rehetra.”3 Amin’ny teny hafa, ianao ihany koa dia ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa.

Omeo fotsiny izay anananao, manomboka amin’ny fotoana kely sy fankatoavana.

Mazava ho azy fa indraindray dia ianao no ilay mila fanampiana fanampiny kely. Amin’izany koa ny Ray any An-danitra be fitia dia handefa fitaomam-panahy amin’ny hafa. Akafa ny hahita fifaliana izy ireo eo am-pahatongavana ho ny valin’ny vavaka nataonao, tahaka ny afaka ny hahatongavanao ho valin’ny an’izy ireo. Midika izany fa misy endrika-na valim-bavaka an-davitrisany ka ny ray amin’izy ireny dia mety hoe mandehana manaraka ny arabe ary miarahaba olona.

Hamoaka printy