2023
Iray tarika
Jolay 2023


“Iray tarika,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Iray tarika

Lasa mpinamana nandritra ny androm-piainana ireto mpifanandrina tany an-tsekoly ireto.

Sary
vehivavy misiônera

Sary nalain’i Jeffery Barker Edwards

Enina herinandro sisa tsy nahavitana ny asa fitoriana nataony tany Aostralia Rahavavy Dil no nahafantatra fa hiara-hanompo amin-drahavavy Tuala izy hanapitra ireo herinandro farany ireo!

“Izany no zavatra tsy mba niriko hitranga indrindra,” hoy Rahavavy Dil.

Sary
zatovovavy manao fanamiana filalaovana baskety

Rahavavy Dil sy Rahavavy Tuala dia mpilalao mpitarika ny lalao tao amin’ireo ekipa mpifaninana sangany tany amin’ny lisea nianaran’izy ireo tany Auckland, Nouvelle Zélande. Mpifanandrina izy ireo. Matetika izy ireo no mifanandrina any amin’ny dingana famaranana ny fifaninanana ary tsy dia tsara loatra ny fifampitondran’izy ireo.

“Mba hampazava izany kokoa” hoy Rahavavy Tuala dia “misy dian-drangotra sy ratra foana eny aminay isaky ny mivoaka ny kianja.”

Sary
zatovovavy milalao baskety

Nandany fotoana be tamin’ny fanazaran-tena sy filalaovana baskety Rahavavy Dil sy Rahavavy Tuala. “Baskety no andro antokom-piainanay,” hoy Rahavavy Dil.

Rehefa nahavita fianarana tany amin’ny lisea izy ireo dia samy nahatsapa ho notaomim-panahy hanao asa fitoriana, na dia tsy dia mba nanam-paniriana ny hanompo mihitsy aza izy ireo hatramin’izay.

Misafidy ny hanompo

Ho an-dRahavavy Tuala dia elaela ho azy ny nampanoa ny sitrapony tamin’ny an’ny Tompo. “Tamin’izaho 21 taona no nanapa-kevitra ny hanaraka ilay fitaomam-panahy,” hoy izy. “Nandà mafy izany aho mandra-paha tao anaty fiaramanidina ahy.”

Nandritra ny valanaretina COVID-19 no nahatongavan-dRahavavy tany amin’ny misiônany tany Aostralia ary na dia sarotra aza izany dia nahavelom-pakasitrahana azy ny nanapahany hevitra ny hanompo.

“Tsy azo veroka hoe nitovy tamin-dRahavavy Tuala aho tamin’izaho 21 taona. Tena tsapako hoe efa lehibe aho.”

Nanana fitaomam-panahy “mazava sy mivantana” ny handeha hanao asa fitoriana Rahavavy Dil tamin’izy nandray ny tsodranon’ny patriarika ho azy. Afaka elaela dia nanapa-kevitra ny hanaraka ilay fitaomam-panahy mba hanompo izy satria “ny sitrapon’ny Tompo hatrany no ilay lalana marina sy ny safidy tsara indrindra.” Tonga ny fiantsoana ka nanorina ny entany nandeha nanompo tany Aostralia izy.

Iray tarika … kanefa mifanalavitra

Tsy hoe akory satria iray misiôna Rahavavy Dil sy Rahavavy Tuala dia midika izany fa ninamana avy hatrany izy ireo. Mbola sarotra tamin-dRahavavy Dil sy Rahavavy Tuala ny hieritreritra ny ho lasa mpinamana noho ny fotoana lava naha mpifanandrina azy ireo.

Raha ny marina, tamin’ny andro voalohany nahitan-dRahavavy Tuala an-dRahavavy Dil dia iray tamin’ireo eritreritra tonga tao an-tsainy ny hoe: “Tsy haiko raha tokony hitia azy aho.”

Sary
vehivavy misiônera

Mamarana ilay fifandirana

Koa rehefa nasaina niara-nanompo Rahavavy Tuala sy Rahavavy Dil dia tena hafahafa tokoa ilay izy.

Samy nifototra tamin’ny fomba nilalaovan’izy ireo teny amin’ny kianja filalaovana baskety ny fieritreretan’izy ireo azy tsirairay avy. Samy nihevitra izy tsirairay avy hoe ny an-kilany dia maherisetra sy tia mifaninana ary ratsy fanahy.

Saingy nanomboka niova ny zava-drehetra rehefa nifankahafantatra izy ireo. Tonga saina Rahavavy Dil fa “mifanohitra tanteraka” tamin’ny fomba nahitany azy hatrizay Rahavavy Tuala. “Raha ny marina dia olona be fitiavana tokoa izy—iray tamin’ireo mpiara-mitory be fitiavana indrindra niara-nanompo tamiko,” hoy Rahavavy Dil.

Niaina toe-javatra nitovy tamin’izany koa Rahavavy Tuala. Tsy tonga saina izy fa ireo fahatsapana fifandrafesana tamin-dRahavavy Dil dia “fifandirana natao tsy am-pahatsiarovan-tena tokoa” teo amin’ny fiainany.

Sary
vehivavy misiônera

Nisolo ho fitiavana sy fahatakarana ireo fahatsapana fifandirana ratsy tao aminy rehefa nanomboka nahita an-dRahavavy Dil araka ny tena maha izy azy izy. Na dia nieritreritra aza Rahavavy Tuala hoe olona tsy be teny Rahavavy Dil dia hitany fa hay “Be resaka be Rahavavy Dil!”

Tao anatin’ny finamanana vaovaon’izy ireo dia tonga saina Rahavavy Dil sy Rahavavy Tuala fa mety hoe tsy tena mpifahavalo velively akory aza izy ireo.

“Amin’ny baskety dia ataonao masaka an-doha ny hoe tsy maintsy mandresy izahay ka izay olona rehetra ao amin’ny tarika ilany dia fahavalo avokoa,” hoy Rahavavy Dil. “Ary rehefa tapitra ny baskety avy eo dia tonga saina ianao hoe, -Hay moa izy ireo tsy fahavalo intsony. Mety tsy tena fahavalo mihitsy aza izy ireo.-”

Amin’izao Rahavavy Dil sy Rahavavy Tuala dia mahita fa iray “tarika” izy ireo, dia ny tarik’ Andriamanitra izany.

Sary
Jesoa Kristy

Christ in the Midst [I Kristy eo anivon’ny olona], nataon’i Judith Mehr

Natao ho an’ny rehetra ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Samy nahatsapa ny fitaoman’ Andriamanitra ireo rahavavy ireo tao anatin’ny iraka notanterahin’izy ireo tamin’ny naha mpiara-mitory azy ireo ary mahafantatra fa herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no namela azy ireo hiaina fanasitranana sy fiovana.

“Nanao io sorona io i Jesoa Kristy mba hahafahan’ireo zavatra tsy nety natao taloha ho sitrana sy voarina ary lasa tsara kokoa,” hoy Rahavavy Dil. “Afaka mamela isika. Afaka manadino isika. Afaka mandroso isika ary miova ny zava-drehetra.”

Tsy vitan’ny hoe sitrana ny disadisa teo amin-dRahavavy Tuala sy Rahavavy Dil fa nianatra ny hahita ny tsirairay taminy araka ny ahitan’ Andriamanitra azy ireo koa izy ireo.

“Ny fandehanako nitory ny filazantsara sy ny fahafahako mahita ny mpiara-mitory amiko sy ny hafa amin’ny fomba fijery hafa dia nahatonga saina ahy fa manan-danja ny tantaram-piainan’ny olon-drehetra,” hoy Rahavavy Tuala. “Ary mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny olon-drehetra.”

Nianatra izy ireo fa na dia mety ho sarotra aza izany dia azon’ny olon-droa izay nifandray ho toy ny mpifahavalo atao ny mamitram-pihavanana amin’ny alalan’ny fitiavana.

“Tsy mampaninona izay taonanao sy ny foko niavianao,” hoy Rahavavy Tuala, “na tsy mpino an’ Andriamanitra ianao na mpino.

Sary
rahavavy misiônera mivavaka

“Raha izaho aza afaka niara-niasa tamin’ny olona izay tsy tena nifandray tsara tamiko velively ary izahay roa dia niara-niasa ho amina tanjona tokana, dia afaka ny hanao toy izany koa ny olona hafa.”

Hamoaka printy