2023
Fito andro hizarana
Jolay 2023


“Fito andro hizarana,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Fito andro hizarana

Afaka mizara ny filazantsara amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy ianao. Vonona ny hanao fanamby ve ianao?

Rehefa momba ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika no resahina dia matetika no fizarana ny fijoroantsika ho vavolombelona mandritra ny fanasan’ny Tompo na amin’ny sehatra mahazatra hafa no eritreretintsika. Kanefa namporisihana isika mba “[hitady] mandrakariva fomba hizarana ny finoanao amin’ny fifaneraserana amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy.”1

Amin’ilay fanamby mandritra ny fito andro etsy ambany dia azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny fomba hafa isan’andro mandritra ny herinandro iray. Azonao atao koa ny manao azy ireo tsy manaraka filaharana na azonao atao mihitsy aza ny mitondra ny hevitrao manokana! Vonona ny hanao fanamby ve ianao?

Sary
trano fivavahana

Sary nataon’i Emily Davis

Andro 1: Fiangonana

Hevero ny hijoro ho vavolombelona ao am-piangonana mandritra ny alahadin’ny fifadian-kanina sy ny fijoroana ho vavolombelona raha izany no mampahazo aina anao. Raha tsy izany dia azonao atao koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona ao am-piangonana amin’ny alalan’ny fandraisana anjara ao amin’ireo kilasy mandritra ny alahady na ao amin’ny seminera. Mety hitondra hery ho an’ny hafa sy hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny hafa sy ny anao ihany koa ny teny zarainao any.

Sary
namana

Andro 2: Namana

Inona no nianaranao tao am-piangonana tamin’ny alahady? Tianao ve ny zavatra nozarain’ny olona iray nandritra ny lahateny tamin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo na nandritra ny fifanakalozan-kevitra tao amin’ny kilasinao? Mety hoe iray tamin’ireo fihirana tianao indrindra ny hira fanokafana. Tantarao ny namana izany! Avy eo dia anontanio azy ireo koa ny momba ny faran’ny herinandrony.

Sary
finday misy tambajotran-tserasera

Andro 3: Tambajotran-tserasera

Sehatra iray tsara hizarana zavatra ara-panahy amin’ny fomba tsotra sy mandeha ho azy ny tambajotran-tserasera. Amin’ity andro anaovana ilay fanamby ity dia hevero ny hizara hafatra momba ny:

  • Iray amin’ireo andinin-tsoratra masina tianao indrindra.

  • Teny notsoingaina mitondra fankaherezana avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

  • Vatsim-panahy na zavatra ara-panahy niainana.

  • Zavatra tianao sy ankamamianao momba ny Mpamonjy.

  • Fomba iray izay nanampiany anao vao haingana na hatsarana mahavariana anao any Aminy sy ny antony.

Sary
finday misy horonan-tsary sy hafatra

Andro 4: Hafatra amin’ny finday na horonan-tsary

Mandefasa hafatra mankahery amina namana iray amin’ny alalan’ny hafatra amin’ny finday na horonan-tsary. Azonao atao ny mizara lahateny avy amin’ny fihaonambe izay heverinao fa mety ho tiany na lazao azy ireo ny zavatra iray tianao momba azy ireo na zarao ny momba ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Ohatra, mety mila mahafantatra momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo izy ireo. Azonao atao koa ny milaza izany mivantana amin’izy ireo!

Sary
zatovovavy iray mihazona balaonina iray miendrika fo

Andro 5: Asa fanompoana

Mety hanontany tena ianao hoe ahoana no ahafahan’ny asa fanompoana ho fomba iray hizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Nampianatra i Paoly Apôstôly hoe: “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana” (1 Timoty 4:12). Noho izany dia azonao aseho amin’ny alalan’ny ohatra ataonao ireo zavatra inoanao amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa tahaka izay ho nanompoan’ny Mpamonjy azy ireo.

Sary
fitaovana ara-javakanto

Andro 6: Zavakanto

Indraindray ny olona mampiasa ny zavakanto mba ho fomba hafa hizarana ny eritreriny sy ny zavatra tsapany. Azonao atao ny mampiasa sary hosodoko, sary sokitra, tononkalo, hira, na izay mety ho karazana zavakanto mba hizarana ny zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Sary
zatovo mifampiresaka

Andro 7: Resadresaka an-davanandro

Aza matahotra miteny momba ireo zavatra inoanao amin’ireo sehatra hita an-davanandro, tahaka ny hizaranao ireo hevitrao momba ana lohahevitra voafaritra iray.

Mazava ho azy fa azonao atao ny miresaka momba ireo fiaraha-mientana karakarain’ny Fiangonana na momba-na soratra masina iray novakinao vao haingana, kanefa afaka ny ho tsotsotra kokoa noho izany. Ohatra:

  • Raha tsapanao fa taomim-panahy tsotr’izao ianao, dia resaho amin’olon-kafa ny momba ny fankamamianao ireo zavaboarin’ Andriamanitra.

  • Mety koa hoe niaina zavatra ara-panahy nahafinaritra ianao vao haingana. Tantarao ny namana izany raha tsy tena mahakasika ny tena manokana loatra.

  • Mitadiava fanoharana ao anatina boky na horonan-tsarimihetsika iray ary zarao ny hevi-baovao hitanao.

Tsotra sy mandeha ho azy

Rehefa mahita fomba samihafa hizarana ireo zavatra inoanao ianao dia ho lasa tsotra kokoa hatrany ho anao ny manao izany. Mety ho hafahafa ilay izy amin’ny voalohany kanefa tsy maninona izany! Tsarovy fa ny fijoroana ho vavolombelona anananao mihitsy no efa zavatra mandeha ho azy aminao. Anisan’ny maha ianao anao izany. Afaka ny ho mandeha ho azy koa ny mizara izany. Ny hany takian’izany dia ny fizarana izany misimisy kely kokoa isan’andro.

Toy ny ahoana ny fomba hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona anio?

Hamoaka printy