2023
Ny andro fampodiana ny zavatra rehetra
Jolay 2023


“Ny andro fampodiana ny zavatra rehetra,” Ho zatovo mahery! Jolay 2023.

Andalana anampy andalana

Ny andro fampodiana ny zavatra rehetra

Ianaro ny zavatra nampianarin’ny Apôstôly Petera ny olona momba ny Famerenana amin’ny laoniny.

Sary
Fahitana Voalohany

Ny Fahitana Voalohany, nataon’i Walter Rane

andro famelombelomana

Ny “andro famelombelomana” noresahan’i Petera io dia mahakasika ny fotoana hiavian’i Jesoa Kristy indray. Aorian’ny Fiaviana Fanindroa dia “hohavaozina ny tany ka handray ny voninahitry ny paradisany” (Fanekem-pinoana 1:10).

ny andro fampodiana ny zavatra rehetra

Ny “andro fampodiana ny zavatra rehetra” dia ny fotoana itrangan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Tafiditra ao anatin’izany fotoana izany ny andro farany (ny androntsika!) sy ny fotoana hiavian’i Jesoa Kristy indray.

Midika hoe famerenana indray ny hoe: Famerenana amin’ny laoniny. Ny Famerenana amin’ny laoniny dia nanomboka tamin’ny lohataonan’ny 1820 rehefa niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tamin’izany no nanombohana namerenana teto an-tany zavatra maro; isan’izany ireo fahamarinana madio avy amin’i Jesoa Kristy, ny fahefan’ny fisoronana ary ny Fiangonana.

ny mpaminaniny masina rehetra hatramin’ny voalohany indrindra

Hatry ny fahiny ireo mpaminany no naminany ny amin’ilay Zanak’ Andriamanitra, i Jesoa Kristy, izay ho avy eto an-tany sy ho Mpamonjy antsika. Izy ireny ihany koa dia naminany fa ho avy fanindroany i Jesoa Kristy.

Ary ireo mpaminany koa dia naminany fa mialoha ny hiavian’ny Mpamonjy dia ho avy Izy hamerina amin’ny laoniny eto an-tany ny filazantsarany sy ny Fiangonany. Ny Famerenana amin’ny laoniny izay naminanian’ireo mpaminany dia mitranga amin’izao fotoana izao amin’izao androntsika izao.

Hamoaka printy