Pianô ho an’i Prophet
Tany Greater Accra, Ghana no niseho ity tantara ity.
Nanana tanjona roa lehibe ny zazalahy iray antsoina hoe Prophet.
“Fiteny azon’ny olona rehetra ny mozika” (Bokin-kiran’ny ankizy, iii).
Tia mozika i Prophet. Tiany manokana ny hiran’ny Kilonga sy ny hiran’ny Fiangonana. Mingonongonona feon-kira izy mandritra ny tontolo andro. Naka sary an-tsaina ny tenany mipetraka eo amina pianô izy, mitendry ny hira tiany indrindra. Naka sary an-tsaina ny tenany mampianatra olon-kafa hitendry ihany koa izy.
Saingy misy olana iray ihany. Tsy nanana pianô izy.
Indray andro dia nanao tafa sy dinika tamin’ny evekany i Prophet.
“Efa nametraka tanjona tao amin’ny fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ve ianao?” hoy ny eveka nanontany.
“Eny,” hoy i Prophet. “Te hianatra hitendry pianô aho.”
“Tanjona tsara izany,” hoy ny eveka.
“Ary rehefa tratrako izany tanjona izany,” hoy i Prophet, “dia manana tanjona hafa aho avy eo. Te hampianatra olona 20 hafa hitendry aho.”
“Manana tanjona tsara anankiroa ianao,” hoy ny eveka.
“Fa manana olana iray aho,” hoy i Prophet. “Tsy manana pianô aho.”
“Eny ary, andao hojerena izay azontsika atao.”
Tany am-piangonana ny alahady manaraka an’io dia nilaza tamin’i Prophet ny eveka fa nahita mpivady misiônera afaka mampianatra azy izy. Hitondra pianô ho azy sy ho an’olon-kafa izy ireo hanaovana fanazaran-tena. Te hampianatra olona be dia be hitendry pianô izy ireo.
Niresaka tamin’ny olona ny eveka. Niresaka tamin’ny olona i Prophet. Niresaka tamin’ny olona ny fianakavian’ i Prophet. Tsy ela dia niresaka momba ny fampianarana pianô ny paroasy iray manontolo. Toy izany koa ny hafa.
“Maro amin’ireo namako izay tsy mpikambana no te-hianatra ihany koa,” hoy i Prophet tamin’ny eveka.
“Raisina an-tanan-droa izy ireo, mazava ho azy,” hoy ny eveka. “Hanome anao boky ireo misiônera ary hanampy anao hianatra ireo lesona. Ary rehefa avy mianatra ianao dia afaka manampy azy ireo hampianatra ny olon-kafa rehetra.”
“Izay no tanjoko faharoa!” Hoy i Prophet.
Tsy ela dia nanao fanazaran-tena niaraka tamin’ireo misiônera i Prophet. Tiany ny mianatra ny dikan’ny tsirairay amin’ireo naoty sy ny maheno azy ireo miaraka ka manome hira. Nianatra ihany koa ny roa tamin’ireo namany tao am-piangonana, i Kelvin sy i Alexander. Rehefa afaka iray volana dia nanomboka nampianatra koa izy telo lahy.
Isan’andro dia nampianatra kilasina pianô tao amin’ny trano fiangonana ireo zazalahy ireo. Tamin’ny voalohany dia manodidina ny 10 ny mpianatra, avy eo 20, avy eo 50!
“Mahafinaritra ilay izy!” Hoy i Kelvin indray andro rehefa vita ny fotoam-pianarana.
“Heveriko fa faly ny Ray any An-danitra satria manampy ny hafa hianatra isika,” hoy i Alexander.
Nanaiky i Prophet. Hanampy olona maro no efa tanjony.
Saingy nisy zavatra hafa nahafaly an’i Prophet. Rehefa nampihatra ireo hiran’ny Kilonga ireo mpianatra hafa dia nianatra momba ny Ray any An-danitra ihany koa izy ireo. Nanontany an’i Prophet ny sasany tamin’izy ireo raha afaka mianatra bebe kokoa momba ny Fiangonana izy ireo.
Ary raha ny marina, ny sasany tamin’ireo olona izay vao nahalala momba ny Fiangonana noho ny fianarana pianô dia niafara tamin’ny fanaovana batisa.
“Ao am-pivoriana izao,” hoy i Prophet, “dia miara-mivory sy mihira ireo hira tianay izahay rehetra.”