Tantara ao amin’ny soratra masina
Manangana indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy
Tamin’ny 6 aprily 1830 dia nisy fivoriana miavaka tao amina trano hazo iray. Nanangana indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy teto an-tany i Joseph Smith.
Nanamasina sy nizara ny fanasan’ny Tompo i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery. Rehefa vita ny fivoriana dia olona maro no natao batisa.
Volana vitsivitsy taty aoriana dia niantso an’i Emma Smith hanambatra fihirana ho an’ny Fiangonana Andriamanitra. Amin’izay ny olona dia ho afaka mihira hira mandritra ireo fivoriam-piangonana.
Mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho. Afaka mihira aho ary mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro.