2021
Fahatsapana mahafinaritra
Martsa 2021


Fahatsapanamahafi-naritra

Monina any Guatemala, Guatemala, ny mpanoratra.

“Hisakambina anao amin’ny sandrim-pitiavako Aho” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:20).

Sary
A young Guatemalan boy in the font after being baptized hugging his father. Boy in bed with stomach pains Boy in hospital bed with his parents at his side.

Maraina nahafinaritra sy nazava tamin’ izay tao San José Pinula, tanàna kely akaikin’ny tanànan’i Guatemala. “Tsy andriko!” Hoy i Joshua tamin’ny zandriny vavy. Andro hanaovana batisa azy androany!

Rehefa tonga tany am-piangonana ny fianakaviana dia nanao akanjo fotsy i Joshua sy i Dada. Somary natahotra kely i Joshua tamin’ny voalohany. Saingy nohazonin’i Dada ny tanany rehefa nidina ny tohatra mankao amin’ny dobo izy ireo, dia tsy nahatsapa ho natahotra loatra izy. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano i Joshua dia tsikitsiky be no teny amin’ny endriny.

Nisolo akanjo maina i Joshua sy i Dada. Avy eo dia nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’i Joshua i Dada sy ireo dadatoan’i Joshua ary ny dadabeny. Noraisina ho mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Nandre an’i Dada nilaza i Joshua hoe: “Raiso ny Fanahy Masina.”

“Tena faly aho!” hoy izy rehefa namihina mafy an’i Dada.

“Tsarovy ireo fampanantenana nataonao androany,” hoy i Dada. “Raha manao izany ianao dia afaka miaraka aminao mandrakariva ny Fanahy Masina. Tsy ho irery mihitsy ianao.”

Indray maraina, volana vitsivitsy taty aoriana, dia nifoha nitomany i Joshua. Narary be ny vavoniny! “Neny a!” Hoy i Joshua nikiakiaka avy teo am-pandriany. “Tena marary be ny kiboko!”

Nihanarary hatrany hatrany ny vavoniny. Tsy afaka namindra mihitsy izy. Nomen’i Dada tsodranon’ny fisoronana i Joshua, ary avy eo dia nitondra azy nankany amin’ny dokotera izy sy i Neny.

Nilaza ny dokotera fa nila nodidiana avy hatrany i Joshua. Toa nampatahotra izany!

“Hoentinay any amin’ny efitrano iray manokana ianao hanaovana ilay fandidiana,” hoy ny dokotera. “Tsy haheno na inona na inona ianao satria hatory. Ary hiandry anao ao ivelany ao ny ray aman-dreninao.”

Vao mainka natahotra i Joshua. Fa maninona no tsy afaka mijanona ao amin’ilay efitrano miaraka aminy ny ray aman-dreniny? Tsy nitsahatra nitomany izy.

Niteny tamin-katsaram-panahy i Neny. “Inona no azonay atao hanampiana anao hahazo aina kokoa?” hoy izy.

“Fantatro ny zavatra azontsika atao,” hoy izy. “Mba hirao miaraka amiko ilay hira hoe: -Zanaky ny Ray aho-. Dia andao hivavaka indray.”

Rehefa nihira moramora izy ireo dia tadidin’i Joshua fa nihira izany hira izany izy tamin’ny batisany. Ary rehefa nivavaka izy ireo dia nieritreritra ny zavatra nolazain’i Dada tamin’ny andro nanaovana batisa azy izy: “Afaka miaraka aminao mandrakariva ny Fanahy Masina. Tsy ho irery mihitsy ianao.”

Mbola natahotra ihany i Joshua rehefa nitondra azy tao amin’ny efitrano fandidiana ireo mpitsabo mpanampy. Tsy hitany ny endrik’ilay dokotera sy ireo mpitsabo mpanampy satria nisaron-tava izy ireo. Saingy rehefa nijery ny mason’izy ireo izy dia fantany fa sakaizany izy ireo ary hikarakara azy tsara.

Taorian’ny fandidiana azy dia nilaza ny dokotera fa mila miala sasatra i Joshua. Mbola reraka sy manaintaina izy, saingy nihatsara ilay marary tao amin’ny vavoniny. Tsy te hitomany intsony izy. Fantany fa ho ao tsara izy.

“Nisy zavatra tsapako tao am-poko,” hoy i Joshua tamin’ i Dada sy Neny. “Fahatsapana nahafinaritra ilay izy.”

“Izany no anisan’ny fomba ahatsapantsika ny Fanahy Masina,” hoy i Neny.

Nanaiky i Joshua. Faly izy fa nanana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina. Noho ny Fanahy Masina dia tsy ho irery mihitsy izy.

Hamoaka printy