Ny fanekeko amin’ny batisa
Amim-pitiavana [naoty mainty] = 108
1. Jesoa dia nanoa ny Rainy
ka nankeo amin’ny ony Jordana,
dia nataon’i Jaona batisa
araka ny fahefana.
Hanaraka Azy hatrany aho
dieny ety ka hatrao an-danitra ambony ao.
2. Rehefa atao batisan’ny rano aho,
dia mitovy amin’i Jesoa.
Ka hitia sy hanompo ny hafa,
ho vavolombelony ihany koa.
Ka ny Fanahy no hitarika ahy,
Rehefa miezaka aho hankatò ny Mpamonjy ahy.
3. Dia izay no fanekeko,
Izay hotanako tokoa.
Tsy hitsahatra aho ny hitady
hery sy fiadanam-po.
Hibebaka aho, hivonona hanompo
mba hadio raha mandray ny fanasan’ny Tompo.