2021
Asehoy sy lazao
Martsa 2021


Asehoy sy lazao

Sary
Boris Marin

Nandeha tany am-piangonana izahay tany ambanivohitra ary nahita gana sy akoho! Feno fankasitrahana aho noho ireo biby noforonin’ Andriamanitra.

Boris M., 9 taona, Corrientes, Argentine

Sary
David Avalos

Rehefa nivavaka tany an-trano izahay dia nampianatra ny fianakaviako momba ny famirapiratana toy ny kintana aho. Samy nanao kintana ny rehetra ary nanoratra teo ambonin’izany ny fomba famirapiratan’izy ireo.

David A., 8 taona, Floride, Etazonia

Sary
Father and Daughter with a plate of cookies

Manaraka ny ohatra nataon’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fanehoana fitiavana sy ny fanampiana ny hafa.

Marjorie C., 7 taona, Merseyside, Angletera

Sary
Young man named Aiden

Rehefa natao batisa aho dia tsy tonga dia nahatsapa ho miavaka avy hatrany, saingy nilaza tamiko ny raiko fa indray andro any dia hahatsapa ho miavaka aho. Ankehitriny aho dia tena mahatsapa ho miavaka noho izany.

Aidan T., 9 taona, Alaska, Etazonia

Sary
A photo of Woolfe Mckade

Nahatsapa aho tamin’ny fotoana fisakafoana atoandro fa tsy tokony hilalao eny amin’ireo anja-by mandritra ny fakan-drivotra. Tsy niraharaha an’io fahatsapana io aho ary nilalao teny amin’ireo anja-by ihany. Nianjera aho ary tapaka ny tanako. Fantatro fa hanome ahy fampitandremana mangiana ny Fanahy Masina.

McKade W., 11 taona, Washington, Etazonia

Sary
Layla Prebble

Nandalo zavatra mafy maro ny namako tiako indrindra dia nanaovako zavatra manokana ho an’ny Paska izy. Rehefa nanatitra izany aho dia nahatsapa ho tsara tato anatiko satria fantatro fa nanampy ilay namako aho.

Layla P., 10 taona, Tasmania, Australie

Ny fanasan’ny Tompo

Rehefa mandray ilay fanasana,

Dia mangataka ny Ray isika hamela ireo fahotana.

Hanadio ny alahelo sy ny ota mianjady,

Ho fanombohana vaovao isaky ny alahady.

Misotro ny rano sy mihinana ny mofo,

Dia mahatsiaro Azy ny saina sy ny nofo.

Tsaroana mandrakariva i Jesoa.

Ho velona isika satria Izy no maty ho antsika tokoa.

Madelyn R., 9 taona, Utah, Etazonia

Sary
drawing of a house with a family

Sophia A., 6 taona, Paraná, Brezila

Sary
drawing of Jesus

“Henoy Izy,” Scarlet H., 7 taona, Alberta, Kanadà

Sary
Jesus at the tomb

“Velona Izy,” Eliza S., 10 taona, Idaho, Etazonia

Sary
Jesus holding a lamb

Ammon H., 10 taona, Idaho, Etazonia

Sary
boy with a block Church meeting he built

Joshua M., 6 taona, Hesse, Alemana

Hamoaka printy