2021
Nizara ny filazantsara i Jesoa
Martsa 2021


Manampy toa an’i Jesoa

Nizara ny filazantsara i Jesoa

Sary
Jesus with disciple holding basket of bread

Noana ny olona rehefa mila sakafo ny vatany. Noana amin’ny fomba hafa izy ireo rehefa mila maheno ny filazantsara.

Indray andro dia nisy olona an’arivony maro tonga nijery an’i Jesoa. Nofahanan’i Jesoa tamin’ny alalan’ny mofo dimy sy trondro vitsivitsy fotsiny izy rehetra.

Ny ampitson’io dia nanatona an’i Jesoa indray ny vahoaka. Nolazain’i Jesoa izy ireo hitady karazana mofo hafa. “Izaho no mofon’aina,” hoy Izy. Raha mahita Azy sy ny filazantsarany ny olona dia tsy ho noana intsony ny fanahin’izy ireo.

Indray mandeha dia nilaza tamin’ny namako aho hoe: “Mandeha any am-piangonana aho ary mianatra momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.” Taty aoriana dia nanomboka niaraka taminay nandeha tany am-piangonana izy. Nilaza fa te hatao batisa faran’izay haingana izy! Nahafaly ahy tao anatiko izany.

Mary E., 8 taona, Utah, Etazonia

Sary
Friend Magazine, 2021/03-04 Mar/Apr

Sary nataon’i Peter Francis

Hamoaka printy