Karatra misy ny tantaran’ny Fiangonana
Ianaro ny momba ireo olona manan-danja ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana! Hetezo ireo karatra, aforeto manaraka ireo tsipika mitsitapatapaka ary araiketo hikombona.
Ireo Vavolombelona Telo
“Nahita ary mijoro ho vavolombelona izahay fa marina ireo zavatra ireo.”
“Ny Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona Telo,” Bokin’i Môrmôna
-
I Oliver Cowdery sy i David Whitmer ary i Martin Harris dia naman’ny Mpaminany Joseph Smith.
-
Nahita anjely iray izy ireo, izay nampiseho azy ireo ny takela-bolamena. Nanoratra ny fijoroany ho vavolombelona izy ireo. Azonao vakina izany aorian’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.
-
Anisan’ireo olona voalohany natao batisa ho mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo.
Lucy Mack Smith
1775–1856
“Herin’ Andriamanitra no namokatra an’ io boky io.”
Lucy Mack Smith, History of Joseph Smith (Bookcraft, 1958), p. 204
-
Renin’i Joseph Smith izy.
-
Nampianatra ny zanany momba an’ Andriamanitra izy. Niara-nivavaka sy namaky ny Baiboly izy ireo.
-
Nitarika vondron’Olomasina nankany Kirtland tamin’ny sambo izy. Rehefa nivaingana ny rano dia namporisika ny Olomasina hivavaka izy. Vaky ny ranomandry ka afaka nandeha teo amboniny ilay sambo!