Ny Paskan’i Lainey
Mientanentana i Lainey. Alahadin’ny Paska anio.
Mandeha any am-piangonana miaraka amin’i Neny sy i Dada izy.
Mahita voninkazo sy vorona ary bibikely izy.
Any am-piangonana dia mahita sarin’i Jesoa izy.
“Tratry ny Paska,” hoy ny eveka. “Tia anao i Jesoa!”
Mitsiky i Lainey. Tia an’i Jesoa koa izy!
Tia sy manasitrana i Jesoa.
Nampianatra sy nanasitrana olona i Jesoa tamin’ny toerana rehetra izay nalehany. Tamin’ny fotoana farany nandehanany tany Jerosalema dia nanofahofa ravin-drofia ny olona mba hanehoana fitiavana, fanomezam-boninahitra ary fanajana taminy.
Afaka manaraka ny lalan’i Jesoa mankany Jerosalema ve ianao?