2021
Haino aman-jery azo antoka
Martsa 2021


Haino aman-jery azo antoka

Sary
girl smiling and pointing up

Fanontaniana entina misafidy ny tsara

Ahoana no ahalalanao hoe inona no tsara jerena sy vakìna ary henoina? Ireto misy fanontaniana vitsivitsy hanampy anao hisafidy ny tsara:

  • Manampy ahy hahatsapa ny Fanahy Masina ve izany?

  • Manampy ahy hanaraka an’i Jesoa ve izany?

  • Ahoana no mety ho fahatsapako raha miaraka amiko eto ny Mpamonjy?

Sary
boy looking at phone

Drafitra fialana

Inona no ataonao rehefa sendra haino aman-jery izay tsy tsara ianao? Manaova drafitra mba hahalalanao izay hatao!

  1. Vonoy ilay telefaonina, na solosaina, na tablette na fahitalavitra.

  2. Lazao amina ray aman-dreny na olon-dehibe atokisana ny zavatra hitanao ary mangataha fanampiana avy aminy. Afaka mamaly ny fanontanianao sy manampy anao izy ireo.

  3. Manaova zavatra tsara. Afaka mihira hiran’ny Kilonga ianao, na mamaky zavatra amin’ny iray tampo aminao, na milalao any ivelany miaraka amin’ny namanao.

Sary
laptop showing video chat

Mifantoha amin’izay tsara

Afaka manampy anao hanao zavatra tsara be dia be ny teknôlôjia. Inona no zavatra tsara efa nanampian’izany mba hataonao?

Ireto misy hevitra vitsivitsy:

  • Miresaka amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny chat vidéo.

  • Manao tantaram-pianakaviana.

  • Mianatra zava-baovao.

  • Mijery na mihaino zavatra mahafaly anao.

  • Mitsidika ny tranonkalan’ny Namana.

Sary
Friend Magazine, 2021/03-04 Mar/Apr

Sary nataon’i Jennifer Naalchigar

Hamoaka printy