2021
Fantaro i Raiarii avy any Tahiti
Martsa 2021


Manome Tanana manerana izao tontolo izao

Fantaro i Raiarii avy any Tahiti

Fantaro ireo ankizy ao amin’ny Kilonga manampy ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa.

Sary
photo of Raiarii in Tahiti climbing a tree

Ny mombamomba an’i Raiarii rehetra

Taona: 9

Avy any: Tahiti

Fiteny: frantsay

Fianakaviana: Neny, Dada, rahalahy telo ary anabavy iray

Tanjona sy nofinofy: 1) Hianatra hitendry pianô. 2) Hamaky ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo. 3) Ho tonga dokotera na mpanamory fiaramanidina.

I Raiarii manome tanana

Tian’i Raiarii ny mitsidika ny renibeny, Mamy. Afaka milalao eny amoron-dranomasina izy ary mihaza trondro ao amin’ny riakasia. Mihinana manga sy akondro avy eny amin’ny hazo izy. Taona vitsivitsy lasa izay dia nihaona tamin’i Kali sy i Mia, naman’i Mamy izy.

Isa-maraina dia miara-mamaky ny Bokin’i Môrmôna i Raiarii sy i Mamy. Nanomboka niaraka tamin’izy ireo i Kali sy i Mia. Nanampy tamin’ny fanazavana ny soratra masina i Raiarii mba hahamora ny fahatakarana azy ireo.

Tian’i Raiarii sy ireo rahalahiny ny nanampy an’i Kali manjono. Indray andro dia nilaza toy izao i Raiarii: “Andao hivavaka isika mba ho azo antoka tsy misy atahorana sy hahazo trondro betsaka.” Tamin’io andro io dia nahazo trondro betsaka noho ny teo aloha i Kali! Nanapa-kevitra ny hivavaka foana i Kali alohan’ny handehanany hanjono.

Vonona ny hatao batisa i Raiarii. Nolazainy tamin’i Kali ny momba izany rehetra izany. Avy eo dia tonga nampianatra an’i Kali sy i Mia misimisy kokoa momba ny filazantsara ireo misiônera. Rehefa natao batisa i Kali sy i Mia dia teo i Raiarii. “Faly be aho fa te hanaraka ny dian’i Jesoa i Kali,” hoy izy.

Ireo zavatra tian’i Raiarii indrindra

Toerana: tranon’i Mamy

Tantara momba an’i Jesoa: Rehefa namahana ny vahoaka tamina trondro roa sy mofo dimy Izy

Hiran’ny Kilonga: “I Know That My Savior Loves Me“ (Friend, March 2015)

Sakafo: Sashimi vita amina trondro vao nojonoina tao anaty ranomasimbe sy mofomamy misy sôkôla avy amin’ny fomba fahandron’ny ray aman-dreniben’ny rainy

Loko: Mena

Taranja any an-tsekoly Matematika

I Raiarii sy i Kali miaraka aminʼireo trondro sasany azonʼizy ireo.

Sary
Friend Magazine, 2021/03-04 Mar/Apr

Sary nataon’i Maarten Lenoir

Hamoaka printy