2021
Ry namana malala
Martsa 2021


Ry namana malala,

Sary
Friend Magazine, 2021/03-04 Mar/Apr

Ny Alahadin’ny Sampan-drofia amin’ity taona ity dia amin’ny alahady farany amin’ny volana martsa. Izany no fotoana ankalazantsika ny andro nitaingenan’i Jesoa boriky ho any Jerosalema. Nanofahofa ravin-drofia ny olona ary niantsoantso hoe: “Hosana!” Andro vitsivitsy taty aoriana dia nijaly sy maty ho antsika i Jesoa. Avy eo dia natsangana tamin’ny maty Izy! Manantena izahay fa hankafizinao izany fotoana manokana izany hahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa ho antsika (jereo ny Jaona 3:16). Noho Izy Ireo dia afaka miaina indray isika rehetra!

Amim-pitiavana,

Namana

Fanamarihana: Pejy firy momba an’i Jesoa no hitanao ato amin’ity laharana ity?

Sary
boy with boat he built

Aoreno ny anao manokana

Nianatra ny fomba nanaovan’i Nefia sambo iray aho (febroary 2020) ka te hanamboatra iray manokana aho mba hahatakarako ny zavatra tsapan’i Nefia. Sarotra izany tamin’ny voalohany, saingy nianatra ny tsy hiala sy hatoky ny Tompo toa an’i Nefia aho.

Ian D., 9 taona, Veracruz, Meksika

Sary
two boys reading Friend magazine

Ireo toerana amakianay ny Namana

Tianay ny mamaky ny Namana! Manampy anay hahatsiaro ho tsy manirery izany satria izahay irery no mpikambana ao amin’ny Fiangonana ao amin’ny tanàna misy anay. Vakinay amin’ny teny alemà sy holandey izany satria avy any Hôlandy ny mamanay ary avy any Alemana ny dadanay.

I Lars sy i Torben S., 5 taona sy 3 taona, Basse-Saxe, Alemana

Sary
Primary children in front of temple in Colombia

Tianay ny mahita ny tempoly

Mipetraka akaikin’ny tempolin’i Barranquilla Colombie izahay ary mitsidika azy isa-tapa-bolana. Manampy anay hahatsiaro ireo fanekempihavanana hataonay amin’ny Ray any An-danitra izany.

Kilonga ao amin’ny sampan’i Puerto Colombia, Colombie

Hamoaka printy