2021
Velona Izy!
Martsa 2021


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Velona Izy!

Nalaina avy tamin’ny “Velona Izy,” Liahona, aprily 2013, 4–5.

Sary
Jesus riding a donkey into Jerusalem

Manome fanantenana ho antsika ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Nanome ahy fanantenana izany tamin’ny andro fahavaratra iray, tamin’ny 1969, izay nahafatesan’ny reniko. Nalahelo aho satria tafasaraka vetivety taminy.

Saingy nahatsiaro ho sambatra aho rehefa nilaza tamiko ny Fanahy Masina fa tena misy ny Fitsanganana amin’ny maty. Azoko sary an-tsaina hoe hanao ahoana ny hahita indray ny reniko sy ireo olona tiako indray andro any.

Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Noho Izy, ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra teraka teto amin’izao tontolo izao dia hitsangana amin’ny maty amina vatana tsy ho faty mandrakizay.

Ny tantaran’ny Paska

Hetezo ny karatra ary apetaho amin’ny taratasy. Lavaho ireo lavaka ary afatory miaraka amin’ny kofehy. Manana boky tantaran’ny Paska ianao izao!

  1. Sary
    Jesus riding a donkey into Jerusalem

    Nitaingina boriky ho ao an-tanànan’i Jerosalema i Jesoa Kristy. Nidera Azy ny olona ary nametraka ravin-drofia tamin’ny tany. (Jereo ny Marka 11:1–11.)

  2. Sary
    Jesus blessing a man

    Nitsidika ny tempoly i Jesoa. Nanasitrana ireo olona mandringa sy jamba Izy. (Jereo ny Matio 21:12–14.)

  3. Sary
    bag of coins

    Ireo mpisorona nialona dia nanome farantsakely 30 ny iray tamin’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy, i Jodasy Iskariota, mba hanolorany Azy amin’izy ireo. (Jereo ny Matio 26:14–16.)

  4. Sary
    Jesus holding bread

    Niara-nihinana ny sakafon’ny Paska tamin’ny mpianany i Jesoa. Nanome azy ireo ny fanasan’ny Tompo Izy mba hanampiana azy ireo hahatsiaro Azy. (Jereo ny Matio 26:19–20, 26–28.)

  5. Sary
    Jesus praying

    Nandeha tany Getsemane mba hivavaka amin’ny Ray any An-danitra i Jesoa. Tany no nanombohany nijaly noho ireo fahotantsika. Olona nitondra sabatra no tonga nisambotra Azy. (Jereo ny Matio 26:36–50.)

  6. Sary
    tomb with stone

    Nijaly sy maty teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa. Nalevina tao am-pasana ny vatany ary nisy vato lehibe teo anoloan’ny varavarana. (Jereo ny Matio 27:27–35, 57–60.)

  7. Sary
    Resurrected Jesus in front of tomb

    Nisy anjely nanakodia ny vato. Nilaza tamin’i Maria Magdalena sy vehivavy hafa izy ireo fa nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Niseho tamin’ireo vehivavy ireo i Jesoa ary niankohoka teo anatrehany izy ireo. (Jereo ny Matio 28:1–10.)

  8. Sary
    Resurrect Jesus in white robe

    Niseho tamin’ny mpianany i Jesoa. Nikasika ny vatany nitsangana tamin’ny maty izy ireo. Nasainy nampianatra ny filazantsarany tamin’ny olona rehetra izy ireo. Nitsangana indray i Jesoa Kristy, dia ho toy izany koa isika! (Jereo Lioka 24:36–43; Matio 28:16–20.)

Sary
Friend Magazine, 2021/03-04 Mar/Apr

Sary nataon’i Steliyana Doneva

Hamoaka printy