2021
Miomana ho amin’ny Paska
Martsa 2021


Miomana ho amin’ny Paska

“[Hidera] ny Ray amin’ny anarany amin’ny fo mahitsy sy ny tanana madio” (2 Nefia 25:16).

mom and daughter sitting on bed as sun rises outside window

“Mifohaza ry Lydia a,” hoy i Neny. “Alakamisy Masina anio!” Tany Rosia, toerana nonenan’i Lydia, ny Alakamisy Masina dia andro manokana niomanana ho amin’ny Paska.

Nivadibadika i Lydia ary nijery teo am-baravarankely. Mbola maizina ny tany ivelany.

“Neny, reraka be aho,” hoy i Lydia. “Afaka mbola matory kely ve aho dia rehefa avy eo miasa?”

Nitsiky i Neny dia nipetraka teo am-pandriana. “Misy antony ifohazantsika maraina be anio. Fantatrao ve hoe inona izany?”

Nieritreritra be i Lydia saingy tsy fantany ilay izy.

“Miasa mafy isika hahatonga ny tranontsika hadio anio mba hampahatsiahivana antsika ny fotoana nanasan’i Jesoa ny tongotr’ireo mpianany. Nitia sy nanompo ny hafa Izy, ary te hanompo tahaka ny nataon’i Jesoa isika ato an-tranontsika. Andro ahatsiarovana an’i Jesoa ny andro anio!” Hoy i Neny.

Te hanompo toa an’i Jesoa i Lydia ka dia nitsambikina avy teo am-pandriana. Niasa mafy izy nandritra ny fotoana sisa tamin’io andro io. Nodioviny ny fandiavan’ny trano, nosasany ny lamba, dia nanampy tamin’ny fahandroana sakafo izy. Rehefa nifarana ny andro dia nahatsapa ho nirehareha tamin’ny tenany izy. Nadio nangirana daholo ny zava-drehetra.

Zoma Masina ny ampitson’io. Nanao atodin’ny Paska i Lydia sy i Neny ary i Dada. Nasian’izy ireo lavaka kely ireo akorany dia navoakany ny tamenany rehetra. Nanao maodelin-tsarisary tamin’ny atody izy ireo ary nandrakotra savoka ny maodelin-tsarisary tsirairay. Avy eo dia natsobony tao amin’ny loko mena sy volomparasy ary maitso mamirapiratra ny atody. Tian’i Lydia tokoa ny hakanton’ireo endrika mihodinkodina rehetra.

Rehefa maina ny atody dia namoritra sary kelin’ny fianakaviany i Lydia ary nametraka iray tao anatin’ny atody tsirairay avy. Io zoma io dia andro iray natao hiarahana sy hahatsiarovana ny sorona nataon’i Jesoa. Ilay andro amin’ny herinandro nahafatesan’i Jesoa io. Ireo atody dia nampahatsiahy an’i Lydia ny fasana nilevenan’i Jesoa. Nanao izay vitany mba hahatsiarovana Azy ny fianakavian’i Lydia.

Tamin’ny Sabotsy Masina dia nanao kulich (mofon’ny Paska) i Neny. Fomban-drazana nanan-danja fanao tany Rosia rehefa Paska ny fanaovana kulich. Niezaka ny haneho fanajana foana ny olona rehefa masaka ny kulich. Nieritreritra momba ny fianakaviany sy ny Fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty ary ireo zavatra nankasitrahany i Lydia. Mora kokoa ny nieritreritra zavatra ara-panahy rehefa tena nadio sy nilamina ny tranony.

Farany, Alahadin’ny Paska amin’izay! Nientanentana aoka izany i Lydia. Tonga namangy azy ireo zanaky ny mpiray tampo amin-dray aman-dreniny. Nihinana ilay sakafo matsiro nahandroiny avokoa izy rehetra. Nisy tarte, kulich saosisy ary fromazy teo. Rehefa nisakafo izy ireo dia nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany ary niresaka momba ireo zavatra nankasitrahan’izy ireo.

Taorian’ny sakafo hariva dia nanao lalao manokana izy ireo. Samy nihazona atody voaravaka ny olona tsirairay ary nampifandona izany tamina atody hafa. Izay olona vaky atody voalohany no resy tamin’ny lalao. Nihozongozona ny sandrin’i Lydia satria nampifanereny tamin’ny atody teny amin’ny havany iray ny atodiny. “Alefa ry atody a!” hoy izy nihiakiaka. Nitresaka potipotika ny atody volomparasy mamiratra teny atody teny aminy. Teo amin’ilay akorany vaky no nisy ny sarin’ny fianakaviany.

Nitsiky i Lydia raha nijery ilay sary. Tsy noraharahiany ny hoe resy tamin’ny lalao izy. Fihetseham-po mafana sy sambatra no nameno ny fony. Niasa mafy izy hiomanana tamin’ity Paska ity tamin’ny alalan’ny fanampiana sy fitiavana ny fianakaviany. Noho ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia ho velona indray izy rehetra!

Friend Magazine, 2021/03-04 Mar/Apr

Sary nataon’i Sofia Cardoso