2021
Vicky Tadić
Martsa 2021


Mpamaky lay any amin’ny firenena rehetra

Vicky Tadić

Olona niova fo voalohandohany tany Bosnia sy Herzegovina

“Ny Fanahy Masina ve izany?” Hoy i Vicky nanontany.

a girl in Bosnia and Herzegovina

“Andao moa e!” Hoy ny anadahin’i Vicky niantso. “Andao handeha hilalao miaraka amin-dry Rowes!”

Ry Rowes no mpifanolobodirindrina vaovao amin’izy ireo. Nifindra tany Bosnia sy Herzegovina avy any Etazonia izy ireo. Nanan-janaka mitovy taona amin’i Vicky sy ireo mpiray tampo aminy izy ireo. Saingy tsy nahay niteny Bosniaka izy ireo. I Vicky irery no nahay niteny anglisy tao amin’ny fianakaviany. Nandika teny izy mba hahafahan’ izy ireo miara-milalao.

Niara-nipetraka tamin-dRamatoa Rowe teo amin’ny lavarangana fidirana i Vicky raha mbola nilalao ny ankizy hafa.

“Toa hafa kely ny fianakavianao,” hoy i Vicky. “Amin’ny lafiny tsara.”

Nitsiky Ramatoa Rowe. “Tianao ve ny hiaraka aminay ho any am-piangonana? Mety hanampy anao hahita ny antony maha-hafa anay izany. Tsy manana trano eto Bosnia ny fiangonanay dia ao an-trano izahay no mivavaka miaraka amin’ny fianakavianay.”

Liana ery i Vicky rehefa tonga tao an-tranon-dry Rowes ny alahady. Nihira aloha izy ireo. Nanolotra vavaka ny iray tamin’ireo ankizy. Avy eo dia nivavaka Andriamatoa Rowe ary nizara mofo sy rano ho an’ny olona tsirairay. Nilaza izy ireo hoe fanasan’ny Tompo no iantsoana izany. Taorian’izany dia nanao lahateny i Jessie zanak’izy ireo vavy.

“Tia antsika ny Ray any An-danitra. Miteny amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy,” hoy i Jessie. “Indraindray ny Fanahy Masina dia manome antsika fahatsapana milamina. Na indraindray dia manome antsika eritreritra Izy.”

Ny ampitson’io dia nandeha nankany amin’ny fivarotana i Vicky mba hividy mofo. Teny an-dalana hody, efa handalo teo amina fitoeram-pako mihitsy izy no nosakanan’ny feo tao an-tsainy. Misintaha, hoy ilay feo.

Nijanona tsy nihetsika i Vicky. Tampoka teo, nisy fiara iray nihodina teo an-joron’ny arabe. KDO! Nidona tamin’ilay fitoeram-pako ilay izy.

Nisento lalina i Vicky. Faly be izy fa nihaino ilay feo!

Taty aoriana dia notantarain’i Vicky tamin-dRamatoa Rowe izany tantara izany. “Ny Fanahy Masina ve izany?”

“Toa izy. Indraindray ny Fanahy Masina dia mampitandrina antsika amin’ny loza.”

“Niaro ahy Andriamanitra,” hoy i Vicky. “Hihaino ny Fanahy Masina foana aho.”

Nandeha tany an-tranon-dry Rowes foana i Vicky isaky ny alahady mba hivavaka. Avy eo dia nizara ny Bokin’i Môrmôna tamin-dreniny i Vicky. Vetivety dia nianatra momba ny filazantsara avy tamin’ny fianakaviana Rowes ny fianakaviany iray manontolo. Nandika teny ho an’ny rehetra i Vicky.

Indray andro dia nametraka fanontaniana tamin’ny fianakavian’i Vicky Andriamatoa Rowe. Namerina izany tamin’ny teny bosniaka i Vicky. “Vonona ve ianareo hanaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy ka hatao batisa?”

Niandry i Vicky. Naniry ny hatao batisa izy. Saingy natahotra ny amin’ izay holazain’ny fianakaviany izy.

Farany, niteny ny dadan’i Vicky. “Da.”

Da,” hoy ny fianakaviany.

Faly be i Vicky ka tsapany toy ireny ho vaky ireny ny fony. “Eny,” hoy izy tamin’ Andriamatoa Rowe. “Eny, vonona izahay.”

Herinandro taty aoriana dia nandeha fiara nandritra ny adiny dimy nankany amin’ny trano fiangonana akaiky indrindra i Vicky sy ny fianakaviany. Faly i Vicky rehefa niditra ny rano hatao batisa. Vao mainka faly kokoa izy rehefa noraisina ho mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro farany.

Hanana ny Fanahy Masina hiaraka aminy foana amin’izay izy.

Manana mpikamban’ny Fiangonana miisa 73 i Bosnia sy i Herzegovina.

Ny tempoly akaiky indrindra an’i Bosnia sy i Herzegovina dia ny tempolin’i Roma Italia.

Any atsimo atsinanan’i Eorôpa no misy an’i Bosnia sy Herzegovina.

Tia toerana an-kalamanjana i Vicky. Ny fandehanana an-tongotra lavitra no anisan’ireo zavatra tena tiany atao.

16 taona izy no natao batisa.

Rehefa lehibe i Vicky dia nanambady tany amin’ny tempoly. Manan-janaka roa izy izao.

Friend Magazine, 2021/03-04 Mar/Apr

Sary nataon’i Zhen Liu