2021
Sarivongan’i Jesoa
Mey/Jona 2021


Sarivongan’i Jesoa

Mipetraka any Californie, Etazonia ny mpanoratra.

Tao Brésil no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
May 2021 Friend

Mamà a, afaka mandeha mijery ilay sarivongan’i Jesoa ao amin’ny ivon-toerana ho an’ny mpitsidika ve isika androany?

Te handeha koa aho!

Andraso aloha mandra-pitsahatry ny orana.

Ora vitsivitsy taty aoriana …

Tsy mety mihitsy ve na dia lenan’ny orana kely fotsiny aza? Tsy mampaninona anay anie e!

Eny ary! Andao alaina ny akanjo aro orana antsika.

Te hanao ny akanjo fitafiko rehefa alahady aho.

Hevitra tena tsara izany!

Andao haingana ary!

Kely sisa dia tonga isika!

Bem vinda (Tongasoa)!

Afaka mijery ilay sarivongan’i Jesoa ve izahay?

Afaka tsara mihitsy ka! Manaraha ahy.

Jereo anie ry Mamà e!

I Jesoa no Mpamonjy antsika. Alaivo sary an-tsaina hoe ho toy ny ahoana rehefa hahita Azy isika indray andro any!

Tsy andriko!

Hamoaka printy