Asehoy sy lazao
Momba an’i Nefia ny soratra masina tiako indrindra. Mampahatsiahy ahy mba hankatò ny didin’ Andriamanitra izany satria na inona na inona olana mety ananako, dia fantatro fa hanampy ahy foana Izy. Mampianatra ahy koa izany fa rehefa manao fahadisoana aho dia afaka ny ho voavela heloka.
Noëlly S., 8 taona, Auvergne-Rhône-Alpes, France
Tiako ny mianatra avy amin’ireo mpaminany. Fantatro fa ny Filoha Russell M. Nelson dia mpaminany nofidin’ Andriamanitra.
Eduardo V., 8 taona, Managua, Nicaragua
Nisara-panambadiana ny ray aman-dreniko. Nivavaka aho mba hahazo fampiononana ary heniky ny eritreritra tsara.
Aika C., 7 taona, Idaho, Etazonia
Fantatro fa rehefa mihaino ny Fanahy Masina aho dia manampy ahy ho voaro izany.
Wesley S., 11 taona, Virginia, Etazonia
Nahatonga ahy halahelo ny coronavirus. Nanao sarin’ny olona rehefa mifady hanina sy mivavaka maneran-tany aho, dia nahafaly ahy izany.
Scotty J., 7 taona, Caroline du Sud, Etazonia
Taorian’ny nanaovan’ny dadako batisa ahy dia nahatsapa ho toy ny olom-baovao aho.
Haylee T., 8 taona, Queensland, Australie
Manaraka an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fanampiana ny fianakaviako.
Seth A., 10 taona, Rizal, Filipina
“Tia ny olon-drehetra i Jesoa,” Jewel J., 8 taona, Tennessee, Etazonia
Noah O., 11 taona, Colorado, Etazonia
Joseph, Elijah, Noah, ary i Daniel T., 9, 5, 3, ary 7 taona, Cheshire, Angletera
Dalma E., 6 taona, Santa Fe, Argentine
“Manantena aho fa ho antsoin’izy ireo hanao asa fitoriana,” Samantha F., 10 taona, New South Wales, Australie