2021
Mbola hahita ny anadahiko indray aho
Mey/Jona 2021


Nosoratanao

Mbola hahita ny anadahiko indray aho

Sary
girl hugging Primary teacher

Tsingerin-taona nahaterahan’i Gabriel zandriko lahy tamin’ny herinandro lasa teo. Ho feno fito taona izy tamin’io, saingy tratran’ny paralysie cérebrale izy ka dia nodimandry roa taona lasa izay. Nihira ny “Gethsemane (Getsemane)” izahay tao amin’ny Kilonga. Nazava sy nanan-danja ny tonony. Nameno ilay efitra tamin’ny Fanahy izany.

Rehefa vita ilay hira dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Rahavavy Webster. Vao mainka nameno kokoa an’ilay efitrano tamin’ny Fanahy izany. Dia niresaka momba ny fomba nahafatesan’ny anadahiny taona maro lasa izy. Nahatonga ahy hahatsiaro an’i Gabriel izany, ary efa saika nanomboka nitomany aho. Nieritreritra ny fotoana nihazonako an’i Gabe farany aho. Nalahelo aho, kanefa nahatsapa fiadanana koa.

Niresaka mikasika ny fomba nahafaly azy Rahavavy Webster rehefa fantany fa hahita ny anadahiny indray izy. Nilaza izy hoe fantany fa hahita indray ireo olon-tiantsika efa nodimandry isika rehetra.

Namihina an-dRahavavy Webster aho rehefa nirava ny Kilonga. Niara-nitomany nandritra ny minitra vitsy izahay. Nahery tokoa ny Fanahy. Nilaza tamiko izy fa hahita ny zandriko lahy indray aho. Nilaza izy fa tsy natao ho an’ny ratsy fanahy ihany ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy fa natao ihany koa ho an’ireo izay manana ratram-po. Nanontaniany ahy ny zavatra alahelovako indrindra momba an’i Gabe, dia nolazaiko azy fa tena malahelo ny fihomehiny aho.

Nolazaiko an-dRahavavy Webster fa nalahelo aho satria tsingerin-taona nahaterahan’i Gabriel tamin’io herinandro io ary tena nila nahafantatra aho fa hahita ny anadahiko indray. Nolazainy ahy fa ranomasom-pifaliana no nalatsakay. Afaka nahatsapa ny Fanahy aho, ary fantatro fa marina ny zavatra nolazainy. Azoko antoka fa hahita an’i Gabriel indray aho, ary tena mahafaly ahy izany. Tiako izy. Fantatro fa noho ny fitiavan’i Jesoa Kristy ahy dia natolony ny ainy mba hahafahako mahita an’i Gabriel indray.

Hamoaka printy