2021
Tarihin’i Braden ny lalana
Mey/Jona 2021


Tarihin’i Braden ny lalana

Mipetraka any Californie, Etazonia ny mpanoratra.

Tao Luisiane Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Nahafinaritra ny nipetraka tao amin’ilay toerana fiompiana mamba. Saingy nisy zavatra iray tsy ampy.

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao” (1 Timoty 4:12).

Sary
boy reading scriptures on dock

Nitondra siny mavesatra feno sakafo ho an’ny mamba nankeny amin’ny toerana famahanana azy ireo i Braden sy i Dada. Nipoitra teo ivelan’ny rano ny tendron’ny lohan’ireo mamba dia nisosa nankeny amin’izy ireo. Rehefa tonga teo amin’ilay toeram-pamahanana i Braden sy i Dada dia nampitanatana ny vavany ny sasany tamin’ireo mamba.

Saingy tsy natahotra i Braden. Ny fiarahana miasa tamin’i Dada tao amin’ilay toerana fiompiana mamba no zavatra tsara indrindra.

“Sakafo ô!” Hoy i Braden. Nandroaka sakafon’ny mamba tamin’ny tanany izy dia nanipy izany tao anaty rano.

Kraopa. Kraopa. Katsaoka.

Nitsambikina nisambotra ireo sakafo ny mamba sasany. Ny sasany nikepokepoka izany rehefa nitontona teo amin’ny rano ireo sakafo. Nanohy nanipy ilay sakafo i Braden sy i Dada mandra-pahafoana ny siny nentin’izy ireo.

“Misaotra nanampy ahy,” hoy i Dada. “Andao handeha. Ho avy tsy ho ela ny misiônera.”

Nanomboka niresaka tamin’ny misiônera volana vitsy lasa izay i Braden sy ny fianakaviany. Tiany ireo misiônera! Ary tia nianatra momba ny Fiangonana izy. Mpikamban’ny Fiangonana i Dada, saingy tsy dia nandeha nivavaka loatra izy. Tsy mbola natao batisa mihitsy i Neny sy i Braden.

“Nametraka tanjona ianareo tamin’ny herinandro lasa teo mba hamaky ny Môzià 18,” Hoy Rahavavy Cox tamin’io hariva io. “Nanahoana ilay izy?”

Nifampijery i Neny sy i Dada dia nangina kely vetivety. “Be zavatra natao izahay tamin’ity herinandro ity,” hoy i Neny.

“Izaho namaky!” Hoy i Braden.

“Tsara be izany!” Hoy Rahavavy Blood sady nanome peo ny dimy. “Inona no zavatra tsapanao rehefa avy namaky ilay izy?”

Nitsiky be i Braden. “Tsara be ny zavatra tsapako. Ary nivavaka aho mba hatao batisa. Tena te hatao batisa aho.”

“Mahafinaritra izany! Fantatro fa tena mahafaly ny Ray any An-danitra izany,” hoy Rahavavy Cox. Nitodika tany amin’ny renin’i Braden izy. Inona no tsapanao momba izany?”

“Tsy dia haiko loatra. “Mbola mila fotoana kelikely angamba aho,” hoy i Neny.

Somary nalahelo kely i Braden nandritra ny ambin’ny lesona. Niriany raha mba samy mpikamban’ny Fiangonana ireo ray aman-dreniny. Ary naniry ny ho lasa mpikamban’ny Fiangonana koa izy!

Rehefa lasa ireo misiônera dia nilaza tamin’ny ray aman-dreniny izy fa tena avy amin’ny fony ny zavatra nolazainy teo. “Tena te hatao batisa aho. Ary …” nisento mafy i Braden. “I Dada mihitsy no tiako hanao batisa ahy.”

Niteny i Dada nony afaka kelikely. “Tena maniry izany koa aho.”

Tsy niteny i Neny. “Andao hivavaka momba izany.”

Nandohalika niaraka tamin’ny fianakaviany i Braden dia nanontany ny Ray any An-danitra raha tokony hatao batisa izy sy i Neny. Nahatsapa hafanana sy nahatsapa ho tiana izy.

Nandritra ireo herinandro vitsy manaraka dia namaky ny soratra masina sy nivavaka isan’andro i Braden. Tamin’ny voalohany dia izy foana no nangataka tamin’ireo ray aman-dreniny raha mba afaka hiara-hivavaka sy hamaky soratra masina aminy izy ireo. Kanefa tsy ela akory dia izy ireo indray no nanomboka nangataka azy. Rehefa namahana ireo mamba izy sy i Dada dia niresaka momba ny soratra masina na ny zavatra nianarany tany am-piangonana. Ary izy sy i Neny dia niresaka momba ireo lesona nampianarin’ny misiônera. Toa nihafaly isan-andro i Dada sy i Neny.

Indray andro nandritra ny lesona iray niarahana tamin’ireo misiônera dia nilaza ireo teny efa nandrasan’i Braden hatry ny ela i Neny hoe: “Te hatao batisa aho.”

Nandritra ireo herinandro vitsy manaraka dia nahatsapa ho toy ny nitsingevana teny amin’ny rahona i Braden.

Tonga ihany nony farany ilay andro hanaovana batisa an’i Neny sy i Braden. Rehefa nivoaka avy tao anaty rano i Braden dia tsapany ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy sy ny fianakaviany. Nofihininy mafy i Dada.

Namihina an’i Braden i Dada dia nibitsibitsika hoe: “Misaotra anao nampiseho ohatra tsara sy nanampy anay. Tiako ianao.”

Hamoaka printy