2021
Hamindra tendrombohitra ny finoana
Mey/Jona 2021


Hafatry ny fihaonambe avy amin’ny Mpaminany

Hamindra tendrombohitra ny finoana

Notsoahina avy tamin’ny “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, Mey 2021.

Sary
May 2021 Friend

Izay zavatra tsara rehetra eo amin’ny fiainana, sy ny fitahiana rehetra, dia manomboka amin’ny finoana. Nampanantena i Jesoa ao amin’ny Baiboly fa “Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy” isika dia ho afaka hamindra tendrombohitra (Matio 17:20). Mety ho fanirery, na ahiahy, na aretina na olana hafa ireo tendrombohitrareo.

Ilay voan-tsinapy dia maneho finoana kely kanefa tsy mitsaha-mitombo. Kely no iantombohan’ilay voan-tsinapy saingy lasa hazo lehibe ahafahan’ny vorona manamboatra trano izany. Mangataka anareo aho hanomboka hampitombo ny finoanareo androany. Ireto misy fomba vitsivitsy ahafahanareo mampiorina ny finoana sy ny fatokisanareo.

  1. Mianara momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina. Mianara momba ny fahagagana nataony.

  2. Misafidiana ny hino Azy. Mieritrereta momba Azy isan’andro.

  3. Manaova asa amim-pinoana. Mirosoa amin’ny batisa dia mandraisa ny fanasan’ny Tompo.

  4. Angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao.

Hamindra tendrombohitra ny finoanareo an’i Jesoa Kristy. Ny finoanao dia hanampy anao hanova ireo olana ho fahafahana mahatalanjona.

Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy

Sary
May 2021 Friend

Hamoaka printy