Mpamaky lay any amin’ny tany tsirairay
Julia Mavimbela
Mpitarika eo anivon’ny fiarahamonina ao Afrika Atsimo
“Tsy misy ny fitiavana raha tsy amin’ny alalan’ny famelana ny hafa ihany.”
Namafa ny handriny i Julia. Dia noraisiny ny angadiny ka nanomboka nangady izy. Mbola sombin-tany tsy voadio ny tany nanodidina azy tamin’io. Saingy vetivety dia ho lasa zaridaina tsara tarehy izany.
Sarotra ho an’ny mainty hoditra tao Afrika Atsimo ny niaina izany fotoana izany. Nampisaraka ny Mainty sy ny Fotsy ny lalàna nisy tao. Olona mainty hoditra maro no noterena hiala ny tokantranony ka hipetraka any amin’ireo faritra lavitra ireo olona fotsy hoditra, ary tsy afaka nifidy izy ireo. Nisy herisetra tao amin’ilay tanàna nipetrahan’i Julia, ary nikatona noho izany ireo sekoly. Indraindray dia nampidi-doza ny nandeha tany ivalen’ny trano.
Saingy tsy nanakana an’i Julia izany. Naniry ny hanao zavatra mba hitondrana soa ho an’ny fiarahamonina nisy azy izy. Izay no antony nanombohany nanao zaridaina.
Nahita an’i Julia niasa ny ankizy sasany. “Afaka manampy ve izahay?” hoy izy ireo nanontany.
“Mazava ho azy,” hoy i Julia. Nomeny angady tsirairay avy izy ireo. Nasehony azy ireo ny fomba hanalefahana ny tany sy hiadiana ireo ahitra.
“Andao isika hiady ny tanin’ny alahelo, dia hamafy ny voan’ny fitiavana ao, dia ho hitantsika ny voa mety omeny antsika,” hoy izy. “Tsy misy ny fitiavana raha tsy amin’ny alalan’ny famelana ny hafa ihany.”
Herinandro maro no lasa, ary betsaka ny zava-maniry nitombo. Nisy olona hafa tonga hiasa tao amin’ilay zaridaina. Nanongotra ireo ahitra lava izy ireo. Namboly voa betsaka kokoa izy ireo. Nanondraka ireo zava-maniry izy ireo. Nahafaly an’i Julia ny nahita olona maro be nanampy.
Indray andro dia nifanena tamin’ny lehilahy tanora roa i Julia. Gaga i Julia satria mahalana no hankanesan’ny olona fotsy hoditra eny amin’ny faritra misy azy. Nitonon-tena ho misiônera izy ireo. Nasainy hizara hafatra tao an-tokantranony izy ireo.
Rehefa ren’ny zanakalahin’i Julia fa ho avy izy ireo dia tohina izy. “Fa nahoana ianao no manasa azy ireo?” hoy izy. “Fotsy hoditra ireo. Tsy azo antoka izany.”
Saingy natoky ireo misiônera i Julia. “Hafa ireo lehilahy ireo,” hoy i Julia. “Mitory fiadanana ireo.”
Rehefa tonga ny misiônera dia nampandroso azy ireo i Julia. Nahatsikaritra sary iray teo amin’ny talantalana ambonin’ny cheminé ny iray tamin’izy ireo. Sary tamin’ny fanambadian’i Julia ilay izy.
“Iza io?” hoy ilay misiônera nanontany, sady nanondro ilay sary.
“I John vadiko io.” Niondrika i Julia. “Maty tamin’ny lozam-piarakodia izy.”
Naneho fihetsika nanaiky tamin’ny lohany ilay misiônera. “Mino izahay fa afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana, na aorian’ny hahafatesan’izy ireo aza.”
Nahatsapa fiadanana nanenika azy i Julia. Faly izy nahafantatra ny drafitr’ Andriamanitra ary nanohy nihaona tamin’ireo misiônera. Nitombo tao am-pon’i Julia ny fitiavana ny filazantsara, tahaka ireo zava-maniry teo an-jaridainany mihitsy. Vetivety dia nanapa-kevitra ny hatao batisa izy.
Nihaona tamin’ny olona maro vaovao i Julia tany am-piangonana. Mainty hoditra ny sasany. Fotsy hoditra ny sasany. Kanefa samy niara-nanompo sy nianatra izy ireo.
Nasehon’i Julia an’ireo ankizy tao am-piangonana ny fomba hanampiana ao amin’ny zaridainany. “Tsy maintsy malefaka isika ao am-pontsika, tahaka ity tany ity,” hoy izy. “Tsy maintsy manome toerana ho an’ny filazantsara ao anatintsika isika. Tsy maintsy manome toerana ny fitiavana isika.”