2021
Zavatra tokony hotadidiana
Mey/Jona 2021


Zavatra tokony hotadidiana

Esory amim-pitandremana tsara hiala amin’ny gazetiboky ity pejy ity dia apetaho amin’ny toerana ahitanao izany isan’andro!

Sary
May 2021 Friend

Afaka manao zavatra mahatalanjona ianao.

“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mpampahery ahy” (Filipiana 4:13).

Manan-danja ianao.

“Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ ny olona eo imason’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10).

Tena tiana ianao.

“[Tsy misy na inona na inona] hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 8:39).

Zanaka malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra ianao.

“Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo in-drindra ianareo” (Salamo 82:6).

Afaka manampy ny hafa ianao.

“Mifanompoa amin’ny fitiavana” (Galatiana 5:13).

Afaka mitombo mba ho toa an’i Jesoa ianao.

“Izaho no fahazavana; efa nanome ohatra ho anareo Aho” (3 Nefia 18:16).

Hamoaka printy