Karatra misy ny tantaran’ny Fiangonana
Hetezo ireto karatra ireto, aforeto manaraka ireo tsipika mitsitapatapaka ary araiketo hikombona.
Louisa Barnes Pratt
“Nanapa-kevitra aho ny hatoky ny Tompo sy hijoro amim-pahasahiana.”
-
Nanjaitra izy mba hamelomany ny fianakaviany raha mbola nanao asa fitoriana i Addison vadiny.
-
Nitondra ireo zanany nankany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake tamin’ny sarety mitafo izy.
-
Nanao asa fitoriana niaraka tamin’ny vadiny tany Polynésia Française izy.
-
Nandritra ny asa fitoriany dia nianatra ny fiteny Tahisiana izy ary nizara ny filazantsara.
I Nabota sy i Telii
“Toy ny mivoky ara-panahy ny … mihaino an’i [Nabota sy i Telii] mivavaka.”
-
Isan’ireo mpikamban’ny Fiangonana voalohany avy ao amin’ny nosin’i Tubuai tany amin’ny Polynésie Française izy ireo.
-
Nianatra ny filazantsara avy tamin’ny Loholona Addison Pratt izy ireo.
-
Nanome azy toerana hipetrahana izy ireo, sy nampianatra azy hiteny Tahisiana, ary niara-nandeha nitety faritra taminy.
-
Nampianatra olona hafa tao amin’ilay nosy momba ny Fiangonana izy ireo ary nanampy azy ireo hiaina ny filazantsara.