2021
Nitendry hira tao amin’ny fihirana aho
Mey/Jona 2021


Nosoratanao

Nitendry hira tao amin’ny fihirana aho!

Sary
boy playing piano

Tamin’ny fotoana voalohany nahenoako ny zokiko lahy nitendry pianô tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia te hanao izany koa aho. Lasa isan’ireo tanjoko tamin’ny Ankizy sy Zatovo ny hitendry hira ao amin’ny fihirana mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Hatramin’io fotoana io dia nianatra nitendry pianô niaraka tamin’i Ken dadatoako aho. Miezaka manao fanazaran-tena 30 minitra farafahakeliny isan’andro aho. Rehefa afaka 10 volana dia afaka nitendry ilay hira ao amin’ny fihirana hoe “Vavaka Voalohany nataon’i Joseph Smith” aho (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 28).

Dia tonga avy eo ny COVID-19. Nofoanan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ireo fivoriana alahady. Nilaza izy ireo fa any an-tokantrano isika no tokony hivavaka. Samy nomen’i Dada sy i Neny andraikitra izahay. Nangatahan’izy ireo aho hitendry ny hira fanombohana, dia notendreko ny “Vavaka voalohany nataon’i Joseph Smith.” Afaka nanatratra ny tanjoko mba hitendry hira ao amin’ny fihirana nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo aho! Afaka nahatsapa ny Fanahy tao an-tokantranonay aho.

Hamoaka printy