2021
Voahidy tany ivelany!
Mey/Jona 2021


Voahidy tany ivelany!

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Tao Hongrie Central, Hongrie no nitrangan’ity tantara ity.

Afaka manampy angamba i Emma!

“Apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12).

Sary
girl sitting on steps outside apartment

Nitsambikina teo ambonin’ireo tresatresaka teo amin’ny sisin-dalana vita amin’ny vato natao ho an’ny mpandeha an-tongotra i Emma. Nazava sy nisy masoandro nibaliaka tamin’io andro io. Nandeha an-tongotra nankeny amin’ny tranom-barotra fiantsenany izy sy i Neny.

“Neny a, firy metatra avy eto no misy ny masoandro?” Hoy izy nanontany.

“Tsy dia fantatro loatra,” hoy i Neny.

Nijery ny lanitra nanao mason’akoho i Emma. “Mety hisy bala afomanga ho tody eny amin’ny masoandro ve izao ry Neny? Mety ho mahamay noho ny tselatra ve izao ny masoandro? Mety ho …”

Nihomehy i Neny. “Mihasarotra hatrany hatrany izany fanontanianao izany a!”

Nihomehy koa i Emma. Nanana fanontaniana maro be izy. Nanao izay vitany foana i Neny hamaliana azy ireny. Isan’ny antony nitiavan’i Emma niaraka nandeha an-tongotra tamin’i Neny izany.

Nijery ny manodidina azy i Emma. Nifamezivezy teo amin’ilay lalam-bato ireo fiarakaretsaka. Nisy olona maro nitaingina bisikileta. Nisy olona maro nandeha an-tongotra ihany koa.

Nijery tery am-pitan’ny arabe i Emma avy eo. Nisy ankizivavy kely iray nipetraka teo amin’ny tohatra teo ivelan’ny tranobe fonenana iray. Toy ny hoe mitomany ny fijery azy.

Nandeha moramora i Emma. Tokony hijanona ve izy mba hanampy? Mety hoe tsy te ho elingelenina ilay ankizivavy. Indraindray i Emma dia tsy te ho elingelenina rehefa malahelo.

Nijanona tsy nandeha i Emma. Tamin’ny ankamaroan’ny fotoana dia nila olona niresahana i Emma rehefa nila fanampiana. Ary mety afaka ny hanampy izy.

Noraisiny ny tanan’i Neny. “Jereo anie ry Neny e! Mila fanampiana angamba io ankizivavy io.”

Nijery tery am-pitan’ny arabe i Neny. “Marina izany voalazanao izany.”

Nihazona ny tanan’i Neny i Emma rehefa niampita ny arabe izy ireo. Nankeny amin’ilay tohatra nipetrahan’ilay ankizivavy izy. “Manahoana,” hoy i Emma. “Mila fanampiana ve ianao?”

Nifokofoko ilay ankizivavy kely dia niandrandra nijery azy ireo. Namihina ny lohaliny ireo sandriny ary mena sy nivonto ny masony.

“ … Voahidy aty ivelan’ny tranoko aho.” Nisento be izy. Nangovitra sy moramora ny feony. Nandohalika teo akaikiny i Emma mba hahare azy kokoa.

“Tsy mahay mamaky teny aho,” hoy ilay ankizivavy. “Tsy haiko hoe iza no bokotra tokony hotsindriko mba hiverenako ao an-trano.”

Nijery teo amin’ny rindrina ivelan’ilay trano lehibe fonenana i Emma. Nisy bokotra kely maro be teo. Nisy anarana teo amin’ny bokotra tsirairay. Nisy boaty fitenenana teo akaikin’ireo bokotra.

“Iza no anaram-pianakavianao?” Hoy i Emma nanontany.

“Schneider,” hoy ilay ankizivavy kely.

Novakin’i Neny avokoa ny soratra teo amin’ireo bokotra mandra-pahitany bokotra iray nisy hoe “Schneider.” Notsindriany ilay izy.

BZZZ!

Naneno mafy ilay bokotra. Dia nisy feo tsy dia nazava tsara nivoaka teo amin’ilay boaty fitenenana.

“Ny fianakaviana Schneider ity. Inona no azoko anampiana anao?”

Niteny teo amin’ilay boaty fitenenana i Neny. “Manahoana! Ato ivelany ato izaho sy ny zanako vavy miaraka amin’ny ankizivavy klely iray izay milaza fa voahidy aty ivelany hono izy.”

Nitsangana haingana ilay ankizivavy dia nihazakazaka nankeny amin’ilay boaty fitenenana. “Neny a!”, hoy izy, “Tsy nahay namaky ny soratra teo amin’ilay bokotra aho mba hiverenako ao an-trano, dia nanampy ahy ireto olona ireto!”

Toa ireny gaga ireny ny feo tao amin’ilay boaty fitenenana. “Leni! Nataoko fa tao amin’ny efitranonao anie ianao e! Aza matahotra. Hidina any aho izao.”

Minitra vitsy taorian’izay dia nisy vehivavy iray nihazakazaka nivoaka. Nihazakazaka teny aminy ilay zazavavy dia namihina azy.

Nitodika tany amin’i Emma ilay vehivavy. “Misaotra anao nanampy an’i Leni keliko!”

Nitsiky i Emma. “Tsy nanahirana ahy ny nanampy ka.”

Nanofahofa tanana nanao veloma izy ireo dia nidina ny tohatra. Tsapan’i Emma ho nafana ny vatany iray manontolo. Nieritreritra fanontaniana iray fanampiny ho an’i Neny izy.

“Mora ny nanampy an’iny zazavavy kely iny. Fa nahoana aho no toa faly be ny amin’izany?”

Nofihinin’i Neny ny tanan’i Emma. “Ny Fanahy Masina izany, izay milaza aminao fa nanao safidy tsara ianao.”

Nitsiky i Emma. Faly izy fa nijanona mba hanampy.

Sary
May 2021 Friend

Hamoaka printy