Ry namana malala,
Miresaka amintsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny ny Ray any An-danitra. Ary tamin’ny iray volana lasa dia afaka nihaino ireo mpaminany sy apôstôly tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany isika! Manan-danja amintsika rehetra ireo teny renesintsika mandritra ny fihaonambe. Milaza amintsika ny fomba hahatongavana kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy izany.
Inona no tianao indrindra tamin’ny fihaonambe? Mankanesa ao amin’ny pejy faha-2 raha hamaky hafatra manokana avy amin’ny mpaminany!
Amim-pitiavana
Namana
Iza moa aho?
Nilalao ilay kilalao hoe “Iza moa aho?” izahay dia tianay ilay izy (Jona 2020)! Misaotra anareo amin’ireo kilalao mahafinaritra sy tantara tsara! Tianay ihany koa ny mihaino ireo tantara amin’ny horonam-peo an’ny Namana eo am-pisakafoana. Manampy anay hanana ny Fanahy ao an-tranonay izany.
Valentine sy Juliet P., 4 sy 6 taona, Arizona, Etazonia
Ireo toerana amakinay ny Namana
Ny rahalahy isany Marcelo sy Alejandro A., 6 sy 3 taona, dia mamaky ny Namana amin’ny teny Espaniôla ao Nuevo León Mexique!
Tia mahita ny Tempoly izahay
Nitsidika ny Tempolin’i St. Paul Minnesota i Lars sy i Maren ary i Livia, izay 6 sy 11 ary 3 taona.