2021
Andao hifankahafantatra amin’i Shiloh avy any Filipina
Mey/Jona 2021


Manome Tanana manerana izao tontolo izao

Andao hifankafantatra amin’i Shilohavy aoFilipina

Fantaro ireo ankizy ao amin’ny Kilonga manampy ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa.

Sary
Shiloh and his dad

Ny mombamomba an’i Shiloh

Sary
Illustration of Shiloh from the Philippines - Palm Trees - Philippino Food - Jesus blessing nephite children - Rice Bowl - French Fries - Fish -Eggs - Commandment Tablets - Blue Canyon - Math Symbols

Taona: 7

Avy any: Filipina

Fiteny: Filipiana, Anglisy

Fianakaviana: Neny, Dada, ary zoky anankitelo

Tanjona sy nofinofy: 1) Hanompo ny hafa hatrany.2) Ho mpandihy.3) Ho lasa mpahandro tena mahomby.

I Shiloh manome tanana

Tia manampy olona any amin’izay toerana rehetra alehany i Shiloh. Tia mifandray amin’ireo mpiara-mianatra aminy any an-tsekoly izy. Tsy mampaninona azy na hafa toy ny ahoana aza izy ireo. Fantany fa zanak’ Andriamanitra daholo ny rehetra! Manana toe-batana antsoina hoe trisomie 21 i Shiloh, ary tsy afaka mandeha i Kharl namany akaiky indrindra. Manampy foana amin’ny fanosehana ny seza misy kodiarana fitondrana an’i Kharl i Shiloh.

Vonona foana ny hilalao amin’ny rehetra i Shiloh, na dia ireo ankizy tsy mbola fantany aza. Tia maka namana vaovao izy. Indray mandeha raha nandeha nitsidika ny tempolin’i Manille Phillipines ny fianakaviany dia nahatsikaritra ankizivavy kely iray tao amin’ny efitrano fiandrasana izy izay tsy nanana namana hilalaovana. Nanatona azy izy dia nanomboka nilalao taminy. Navelany niara-nijery taminy ny tablette fampiasany mihitsy aza izy.

Ireo zavatra tian’i Shiloh indrindra

Sary
pictures of Shiloh’s favorites

Toerana: Toeram-pilalaovan’ny ankizy

Tantara momba an’i Jesoa Kristy: Rehefa nitsodrano ny ankizy madinika Izy

Hiran’ny Kilonga: “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68).

Sakafo: Ovy endasina, trondro, atody, ary vary

Loko: Manga

Taranja any an-tsekoly: Matematika

Sary
picture of Shiloh with his friends

Io i Shiloh miaraka amin’ireo namany.

Sary
May 2021 Friend

Hamoaka printy