2021
Mitsidika ao Filipina ny Loholona Cook
Mey/Jona 2021


Apôstôly manerana izao tontolo izao

Mitsidika an’i Filipina ny Loholona Cook

Manompo olona maneran-tany ireo apôstôly ary mampianatra azy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Sary
Elder Cook speaking to members

Fony tao Filipina ny Loholona Quentin L. Cook sy Rahavavy Mary Cook dia nisy vôlkano nipoaka. Faly izy ireo fa tany an-toerana mba hanampy sy hampahery ny olona.

Sary
family sleeping in Church building

Feno lavenona ny rivotra ka sarotra ny niaina. Tsy maintsy nandao ny fonenany ny olona. Fianakaviana maro no natory tao amin’ireo tranon’ny Fiangonana.

Sary
Elder Cook speaking to child

Nilaza tamin’ireo olona ny Loholona Cook fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra ary hanampy azy ireo Izy.

Sary
Elder Cook thanking people

Nisaotra ireo mpikamban’ny Fiangonana ny Loholona Cook noho ny asa fanompoana tahaka ny an’i Kristy nifanaovan’izy ireo sy nataony tamin’ireo namany avy amin’ny antokom-pivavahana hafa.

* Namboarina avy amin’ny Vaovaom-piangonana, 14 jan. 2020.

Hamoaka printy