2021
Tsy nanilika ny hafa i Jesoa
Mey/Jona 2021


Manampy toa an’i Jesoa

Tsy nanilika ny hafa i Jesoa

Sary
Jesus with children

Indray andro dia nisy vondron’ankizy nanatona mba hijery an’i Jesoa Kristy. Nasain’ireo mpanara-dia an’i Jesoa nandeha izy ireo. Saingy hoy i Jesoa hoe: “Avelao ny zaza hanatona Ahy” (Marka 10:14). Tsy te hanilika azy ireo Izy. Te hiaraka tamin’izy ireo Izy satria tiany izy ireo.

Nofihinin’ny Mpamonjy tamin’ny sandriny ireo ankizy. Notsofiny rano izy ireo. Nampiany izy ireo hahatsapa ny tenany ho manan-danja.

Sary
A portrait of Kanyin

Nahatsapa ho irery aho nandritra ny fakan-drivotra, ka dia nanontany ankizy raha afaka milalao amiko izy ireo. Nanomboka nanao kilalao nampiasana tsaoka izahay dia nisy olona maromaro fanampiny nanatona, ary tena nahafnaritra izany! Raha mahatsiaro ho irery ianao dia afaka mangataka olona hiara-hilalao aminao!

Kanyin P., 8 taona, Colorado, Etazonia

Sary
May 2021 Friend

Hamoaka printy