2021
Baolina kitra sy ny Sabata
Mey/Jona 2021


Baolina kitra sy ny Sabata

Tao Honduras no nitrangan’ity tantara ity.

“Andro miavaka ny sabotsy. Mba hanomanana ny alahady” (Bokin-kiran’ny ankizy, 105).

Nanakorontana ny alahadin’i Samuel ny zavatra nataony ny sabotsy.

Sary
father and son watching sports together

Tia nijery fahitalavitra niaraka tamin’i Dada i Samuel, indrindra fa rehefa sabotsy. Niasa mafy i Dada nandritra ny herinandro manontolo. Fa rehefa sabotsy dia nahandro pastelitos de piña (mofomamy voasesika mananasy) i Neny dia niara-nijery fahitalavitra daholo izy ireo.

Indray sabotsy alina dia nanapa-kevitra ny hijery partido de fútbol (lalao baolina kitra) izy ireo. Saingy alina ilay lalao vao nanomboka ary haharitra ela ilay izy. Rehefa tapitra ny fizaram-potoana voalohany dia 0 sy 0 ny isa. Tehanohy hijery ihany i Samuel. Saingy tsy nitsahatra nanoaka izy.

“Tokony hatory amin’izay ianao ry Samuelito,” hoy i Neny niteny moramora. “Mila matory ianao mba tsy hatory am-pitoerana any am-piangonana rahampitso.”

“Neny a,” hoy i Samuel. “Roa amin’ireo ekipa tsara indrindra eto Honduras anie ireo e!”

Nojeren’i Dada ny famantaranandro. “Eny ary. Afaka manohy mijery ianao. Saingy mila mifoha ara-potoana ianao rahampitso.”

Vao mainka nampientanentana kokoa ilay lalao tamin’ny fizaram-potoana faharoa. Tsy te hatory intsony i Samuel tamin’izay! Samy nihorakoraka izy sy i Dada. Nisy fandakana corner aloha. Dia nosakanan’ny mpiandry tsato-kazo tamin’ny hakingana be tsy hiditra ny harato ny baolina. Nahafaty baolina ny ekipa iray, dia nahafaty koa avy eo ny iray. Tsy hitan’i Samuel akory dia tapitra ilay lalao. 1 sy 1 no niafaran’izany.

Ny ampitso maraina dia reraka tokoa i Samuel ka tsy te hifoha teo am-pandriana. Saingy fantany fa zava-dehibe ny fankanesana any am-piangonana.

Nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nanomboka resin-tory i Samuel. Nirona foana ny lohany. Nandona kely azy i Neny mba hanampiana azy tsy hatory. Saingy reraka loatra izy ka tsy nifantoka tamin’ireo mpandaha-teny. “Nanakorontana ny alahadiny ny zavatra nataony ny sabotsy raha ny fijeriko azy,” hoy i Dada.

Rehefa tao amin’ny Kilonga dia niresaka mikasika ny fitandremana ny andro Sabata ho masina ny mpampianatra an’i Samuel. Nanontaniany ny zavatra azon’ny ankizy atao mba hanaovana ny alahady ho miavaka. Nieritreritra nandritra ny minitra vitsy i Samuel. Dia hoy izy hoe: “Mandeha matory ara-potoana rehefa sabotsy!”

Rehefa nody izy ireo taorian’ny fotoam-pivavahana dia niresaka tamin’i Dada sy i Neny i Samuel. “Nahafinaritra ahy ny nijery ilay lalao tamin’ny alina,” hoy i Samuel. “Saingy tokony natory aloha kokoa aho. Tokony hampiasa ny ampahany amin’ny sabotsintsika isika mba hanomanana ny alahady.”

“Marina izany,” hoy i Dada.

Nanaiky tamin’ny fihetsika tamin’ny lohany i Neny. “Manaiky koa aho.”

Ny sabotsy manarak’izay dia mbola nisy lalao iray tamin’ny fahitalavitra.

“Inona no tokony hataontsika anio hariva?” Hoy i Dada nanontany. “Ho alina indray ilay lalao vao hanomboka.”

“Afaka mijery horonan-tsary isika ho solon’izany,” hoy i Neny.

“Na mandehandeha,” hoy i Samuel.

“Mety aminao ve ny mandehandeha?” Hoy i Dada nanontany an’i Neny.

“Tena mety,” hoy i Neny. “Mahafinaritra tsotra izao ny miaraka amin’ny maha-mpianakavy.”

“Ary rehefa mody isika,” hoy i Samuel dia afaka mahita tory tsara daholo. Dia ho vonona isika hiatrika ny alahady!”

Sary
May 2021 Friend

Hamoaka printy