Tantara ao amin’ny soratra masina
Fahitana iray momba ny drafitr’ Andriamanitra
Indray andro i Joseph Smith sy i Sydney Rigdon dia namaky soratra masina. Nahita fahitana izy ireo. Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo.
Nianatra izy ireo fa talohan’ny nahaterahantsika dia niaina tany an-danitra niaraka tamin’ Andriamanitra isika.
Tonga teto an-tany isika mba hianatra ny hanaraka an’i Jesoa sy hihaino ny Fanahy Masina. Mianatra mitandrina ireo didy sy mibebaka isika rehefa manao safidy ratsy.
Aorian’ny fahafatesantsika, dia hitsangana amin’ny maty isika. Raha toa ka marin-toetra isika, dia hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra indray.
Afaka mianatra momba ny drafitr’ Andriamanitra aho ao amin’ny soratra masina. Noho i Jesoa dia afaka ny hiaraka amin’ny fianakaviako mandrakizay aho.