2021
Vaha’i Tonga
Jolay/Aogositra 2021


Mpamaky lay any amin’ny tany tsirairay

Vaha’i Tonga

Ohatra tao Tonga

Mipetraka any Waikato, Nouvelle-Zélande, sy Utah, Etazonia ireo mpanoratra.

Nanohy nivavaka foana i Vaha’i, ary indray andro dia nisy fiovana.

A group of Tongan Young Men

Nandohalika teo ankilan’ny fandriany izy mba hivavaka. Io no alina voalohany naha-tao amin’ilay akany azy, ary niray efitrano tamin’ny ankizilahy maromaro izy. Tsy nisy mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tahaka azy izy ireo.

Ry Ray any An-danitra ô … hoy i Vaha’i nanomboka nivavaka tao am-pony. Saingy tsy mora izany. Niresaka sy nihomehy mafy ireo zazalahy hafa.

“Jereo ange e!” hoy i Akau, iray tamin’ireo mpiray efitrano aminy, nihiaka. “Mivavaka izy!”

Lasa tsy nahazo aina i Vaha’i. Fantany fa nanaraby azy i Akau. Saingy nodiany tsy heno izy. Notohizany ihany ny vavaka nataony.

Tamin’ny voalohany nianaran’i Vaha’i ny filazantsara dia tsy tia ny Fiangonana ihany koa ny ray aman-drenibeny. Fa nandeha tany amin’ny Kilonga nianaraka tamin’ny dadatoany na ireo namany i Vaha’i.

Rehefa feno 12 taona izy dia nanapa-kevitra ny hatao batisa. Tsy dia faly loatra ny ray aman-drenibeny tamin’ny voalohany. Saingy hoy ny renibeny avy eo: “Manomboka izao dia mpikambana ao amin’io fiangonana io ianao. Tianay hijanona ho mahatoky ianao.”

Amin’izao i Vaha’i lavitra any an-tsekoly izao dia tapa-kevitra izy ny hanao izany. Koa dia notohizany ny vavaka nataony. Na dia nanaraby azy aza ireo ankizilahy hafa.

Indray alina raha nandohalika i Vaha’i dia nahare zavatra hafa izy.

“E, mangina daholo! Mivavaka i Vaha’i” hoy ny ankizy iray.

Nofaranan’i Vaha’i ny vavaka nataony dia nosokafiny ny masony.

Nipetraka teo amin’ny fandriany i Akau. “Tena zava-dehibe aminao izany ô?”

Nanaiky i Vaha’i nanetsika ny lohany. “Eny, izay mihitsy.”

Taorian’izay dia nangina foana ireo ankizilahy hafa isaky ny nivavaka i Vaha’i. Tsy ela dia nanomboka niaraka nandohalika taminy i Akau. Dia nanaraka koa ireo ankizilahy hafa. Farany dia niaraka nandohalika tamin’i Vaha’i ireo ankizilahy rehetra tao amin’ilay efitrano isak’alina mba hivavaka.

Nahatsiaro ho faly i Vaha’i. Tsy mbola nanao vavaky ny mpianakavy mihitsy izy tany an-trano. Saingy izao dia afaka manao vavaky ny mpianakavy izy miaraka amin’ireo mpiara-mianatra aminy!

Indray andro dia nahita hevitra i Vaha’i. Nisy fivoriamben’ny Fiangonana ho avy. Afaka nanasa ireo namany izy!

Rehefa avy nivavaka i Vaha’i dia nilaza momba ilay fivoriana tamin’ ny rehetra. “Fihaonamben’ny distrika no anarany,” hoy izy. “Tonga ao ny olona mba hianatra momba an’i Jesoa. “Mahazo tonga daholo ianareo rehetra raha tianareo!”

Koa satria tsy maintsy mivoaka an’ilay sekoly izy ireo raha ho any amin’ilay fivoriana dia tsy maintsy nanao sonia taratasy fanomezan-dalana avokoa ireo ankizilahy. Talanjona ery i Vaha’i rehefa nahita ilay taratasy. Nisy anarana 77 teo amin’ilay lisitra!

Nafana ny tao am-pon’i Vaha’i raha niara-nipetraka tamin’ireo mpiara-mianatra aminy nihaino ireo lahateny tao amin’ilay fihaonambe. Tsy maintsy hoe nahatsapa hafanana tao am-pony ihany koa i Akau sy ny sasany amin’ireo ankizy hafa. Tamin’ny fiafaran’ilay fihaonambe dia naniry ny hatao batisa ny fito tamin’izy ireo!

Ny alin’io rehefa avy nivavaka niaraka tamin’ireo namany i Vaha’i dia nanao vavaka manokana. Misaotra anao noho ny nanomezanao ahy namana tsara, hoy izy tamin’ny Ray any An-danitra. Ary noho ny amin’ny nanampianao ahy ho ohatra tsara.

Nosy eo ho eo amin’ny 170 eo ao amin’ny Ranomasimbe Pasifika no mamorona an’i Tonga.

Ankehitriny dia olona enina amin’ny folo ao Tonga no mpikamban’ny Fiangonana.

I Tonga dia fantatra ihany koa amin’ny anarana hoe “Friendly Islands” (Nosy tia namana).

I Vaha’i sy i Sela vadiny no mpivady voalohany nofehezina tao amin’ny tempolin’i Hamilton Nouvelle-Zélande.

Efa filoha’ny tempolin’i Nuku’alofa Tonga izy.

Mpampianatra tao amin’ny Liahona College, sekoly ambaratonga faharoa iray an’ny Fiangonana ao Tonga.

Friend, July 2021 Tier 2

Sary nataon’i Susan Keeter