Manana andraikitra masina ny hitia sy hikarakara ary hiaro ny zanakareo ianareo. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana azy ireo amin’ny herisetra ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-nofo. Ampianaro milaza hoe tsia izy ireo sy haka fanampiana rehefa mahatsapa ho tandindomin-doza. Ampio izy ireo hahafantatra ny fampitandreman’ny Fanahy. Ary ampahatsiahivo azy ireo fa na inona na inona mitranga dia tia azy ireo ianareo, ary toy izany koa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.