2021
Ry namana malala
Jolay/Aogositra 2021


Ry namana malala,

Friend, July 2021 Tier 2

Talohan’ny nahaterahanareo dia niaina niaraka tamin’ireo Ray aman-dreninareo any An-danitra ianareo. Nanao drafitra iray ho antsika rehetra ny Ray any An-danitra mba ho tonga ety an-tany mba hianatra sy hitombo. Izany no drafitry ny famonjena. Nasehon’i Jesoa Kristy antsika ny lalana rehefa tonga tety an-tany Izy. Rehefa misafidy ny hanaraka Azy ianareo dia misafidy ny hanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra. Mitombo mba ho tahaka ny Mpamonjy ianareo!

Jereo ny ao amin’ny pejy 26 raha hianatra bebe kokoa momba ny drafitry ny famonjena. Avy eo dia ataovy ilay kilalao ao amin’ny pejy 16.

Amim-pitiavana

Namana

Ireo toerana AMAKIANTSIKA ny Namana

two boys holding copy of the Friend

I Denzel B. sy i Elba E., 8 sy 9 taona, dia mamaky ny Namana amin’ny fiteny anglisy ao an-trano sy any am-piangonana ao Dar es Salaam, Tanzania.

Tia mahita ny Tempoly izahay

family at the temple

I Abraham, sy i Fernando, ary i Enoc T., 7, 10, ary 5 taona, dia nitsidika ny tempolin’i Guadalajara Mexique niaraka tamin’ny ray aman-dreniny.

Ireo ondrin’i Jesoa

girl blowing cottonball with straw

Nankafiziko ilay asa atao, ilay mandroaka ny ondrin’i Jesoa tao amin’ny hevitra ho an’ny Avia, hanaraka Ahy (sept. 2020).

Ari S., 4 taona, Texas, Etazonia