Vitako ny mitendry azy!
Ny fitiavany dia natolony ho ahy
Iainana tsara [naoty mainty] = 76–93
1. Ny fitiavany
no re manodidina ahy.
‘Njay reko ny Fanahy
fa manakaiky ahy.
2. Ny fitiavany
dia mitantana ahy koa.
Rehefa mivavaka aho
dia miadana ny fo.
3. Ny fitiavany
dia miaro sy mitahy ahy.
Ny foko sy fanahy,
omeko ilay Mpiandry ahy.
Fiverenany: Ny fiainako manontolo,
omeko ho Azy daholo.
Satria ny fitiavany
natolony ho ahy.