Karatra misy ny tantaran’ny Fiangonana
Hetezo ireo karatra, aforeto manaraka ireo tsipika mitsitapatapaka ary araiketo hikombona.
Jane Manning James
1822–1908
“Nandeha izahay … nifaly sy nihira fihirana ary nisaotra an’ Andriamanitra.”
Avy tamin’i James Goldberg, “The Autobiography of Jane Manning James,” Church History, 11 des. 2013, history.ChurchofJesusChrist.org.
-
Tany Connecticut, Etazonia izy no niditra ho mpikamban’ny Fiangonana
-
Nandeha an-tongotra mihoatra ny 1287 kilaometatra ny fianakaviany mba hihazo ireo Olomasina tao Nauvoo. Rehefa naratra ny tongotr’izy ireo dia nivavaka izy ireo mba ho sitrana, ary namaly ny vavaka nataon’izy ireo Andriamanitra.
-
Nilaza i Joseph Smith fa nanana finoana lehibe izy.
-
Na dia niatrika fanamby maro aza izy dia nahatoky tamin’ny filazantsara izy nandritra ny fiainany manontolo.
Parley P. Pratt
1807–1857
“Ny Fanahin’ny Tompo no tao amiko, ary fantatro… fa marina [ny Bokin’i Môrmôna].”
Autobiography of Parley P. Pratt (1938), 38.
-
Tamin’ny fotoana voalohany namakiny ny Bokin’i Môrmôna dia tsy te hijanona izy. Namaky izany andro aman’alina izy.
-
Nanao asa fitoriana tany Kanadà, Angletera, Chili, ary ireo nosy ao amin’ny Pasifika Atsimo izy.
-
Nanoratra hira izay hiraintsika ankehitriny izy, toy ny “Tamim-panetren-tena no teraka i Jesoa” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 39).
-
Anisan’ireo Apôstôly voalohany voantso tato amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny izy.