Avy amin’ny namana mankany amin’ny namana
Paiso iray isaky ny mandeha
Avy tamina tafa sy dinika nifanaovana tamin’i Amber Healey
Fony aho ankizivavy dia nentin’ny ray aman-dreniko tany amina saham-boankazo iray an’ny Fiangonana izaho sy ny rahavaviko. Haka paiso no nalehanay tany. Nihanika tamina tohatra lava izahay ary nahatakatra raviny matevina mba haka ireo paiso tamin’ny hazo.
Nientanentana ery izahay tamin’ ny voalohany. Saingy tsy ela akory dia nampangidihidy ny tananay ireo volovolo tamin’ ny voankazo. Hoy izahay tamin’ny neninay hoe: “Tsy te hanao an’ity intsony izahay. Te hijanona izahay.”
Nanontany anay i neny raha toa ka fantatray ny halehan’ireo paiso rehetra ireo. Rehefa niteny izahay hoe tsia dia nohazavainy taminay ilay izy.
“Ny tsirairay amin’ireo paiso ireo dia entina any amin’ny trano izay misy olona nanolo-tena an-tsitrapo hametraka izany ao anaty boaty vy fitehirizana. Avy eo ireo boaty ireo dia homena olona izay mila sakafo. Isan-taona ny Fiangonana dia manome boatin-tsakafo an’arivony.”
Vetivety teo dia tsy niahiahy ny amin’ ny tananay mangidihidy intsony izaho sy ilay rahavaviko. Nanampy olona nila sakafo izahay! Taorian’izay dia faly ery izahay nihanika ny tohatra sy naka ireo voankazo misy volovolony miloko volomboasary.
Tamin’ity taona ity izahay dia nangataka anareo mba handray anjara amin’ny fanasana Manome Tanana (jereo ny Namana janoary 2021). Ny fanompoana ny hafa amin’ny fomba nanompoan’i Kristy no isan’ny zavatra manan-danja indrindra azonareo atao. Manana fomba miavaka amin’ny fahitana ireo olona mila fanampiana sy fanoloran-tena amin’ny fanampiana azy ireo ny ankizy. Mety tsy ho hita ho betsaka amin’ny voalohany ny asa fanompoana kely iray. Saingy rehefa mitady fomba hanompoana ireo ankizy rehetra manerana izao tontolo izao, dia hanampy zavatra mahatalanjona izy ireo.