Manome Tanana manerana izao tontolo izao
Fantaro i Eta avy any Samoa Amerikanina
Fantaro ireo ankizy ao amin’ny Kilonga manampy ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa.
Ny mombamomba an’i Eta rehetra
Taona: 9
Avy any: Samoa Amerikanina
Fiteny: Anglisy ary mianatra fiteny Samoana
Fianakaviana: Neny, Dada, anadahy roa ary rahavavy iray
Tanjona sy nofinofy: 1) Hitory ny filazantsara. 2) Hanambady any amin’ny tempoly. 3) Hahazo diplaoma amin’ny oniversite. 4) Hitantana ny toerana fanaovana sy fivarotana mofo an-dreniny.
I Eta manome tanana
Ny renin’i Eta dia manana toerana fanaovana sy fivarotana mofo tsindrin-tsakafo eo amin’ny nosy misy azy ireo. I Eta sy i Talai zokiny vavy dia tia mizara amin’ny mpampianany sy ny mpitarika azy ireo ary ireo olona hafa izay mety ho sahirana. Indraindray izy ireo mandeha fiara miaraka amin’ny reniny ary manome mofo mamy sy zavatra azo hanina hafa amin’ireo olona hitany eny amin’ny lalana. Mahafaly ny olona tokoa izany ary mahafaly an’i Eta sy i Talai ny mizara. Mahazo fifaliana kokoa izy ireo rehefa mizara sakafo avy ao amin’ny toerana fanamboarana sy fivarotana mofo mamy noho ny mihinana irery izany! Sady mianatra manao mofo izy ireo ao amin’ny tanjony ao amin’ny Ankizy sy Zatovo amin’ity taona ity, koa dia manana mofo mamy hozaraina foana izy ireo.
Hoy i Eta: “Tiako ny mizara amin’ ny hafa satria mahafaly azy ireo izany, ary mahafaly ahy koa. Fantatro fa izany no tian’ny Ray any An-danitra hataonay.”
Zavatra tian’i Eta indrindra
Toerana: Ireo onin-drano ao amin’ny nosy misy azy ireo, izay tiany ilomanosana
Tantara momba an’i Jesoa: Tamin’ny nitsanganany tamin’ny maty
Hiran’ny Kilonga: “Fitia no ao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 102).
Sakafo: Ovy endasina
Loko: Volomparasy
Taranja any an-tsekoly Matematika