2021
Aoka ho tsara fanahy
Jolay/Aogositra 2021


Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Aoka ho tsara fanahy

Nalaina avy tamin’ny “Ray aman-dreny sy zanaka,” Liahona, nôv. 2018, 61–67.

a boy and a girl reading together

Mahafantatra zatovolahy iray mpitsoa-ponenana aho. Nihomezan’andian-jatovo hafa izy satria tsy mitovy amin’ny rehetra. Nihomehezan’izy ireo izy satria miteny amin’ny fiteny hafa. Tsy mahafaly ny Ray any An-danitra raha tsy tsara fanahy sy manao ratsy amin’ ny hafa isika. Tsy tsara fanahy ny mahery setra amin’ny olon-kafa, na ny mivondrona manohitra azy na ny manilika azy ireo.

Ry ankizy malala, mila ny fahatsaranareo sy ny fitiavanareo izao tontolo misy antsika izao. Aoka ianareo hifaneho hatsaram-panahy. I Jesoa dia nampianatra antsika hitondra ny hafa tahaka ny fomba tiantsika hitondrana antsika. Rehefa miezaka araka izay vitantsika ny ho tsara fanahy isika dia manakaiky kokoa Azy.

Rehefa tsy tsara fanahy aman’olona ianareo, na ianareo manokana na miaraka amin’ny vondron’olona, dia eritrereto ny hiova dieny izao. Amporisiho ihany koa ny hafa mba hiova.

Mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy antsika aho, izay nampianatra antsika mba hifankatia tahaka ny nitiavany antsika. Mivavaka aho mba hataontsika izany.

Ny fomba ahazoana namana vaovao

Friend, July 2021 Tier 2

Ahoana no fomba hanehoanareo hatsaram-panahy amin’ny olona vaovao iray? Ahoana raha toa ka avy amin’ny firenena hafa izy? Fenoy ny hevitrao manokana ny dingana tsirairay.

  1. Mitsikia dia milazà hoe manahoana.

    • “Manahoana! “Iza no anaranao?”

    • “Faly aho fa miray kilasy aminay ianao.”

    • ________________________________

  2. Eritrereto ny mety ho zavatra tsapany:

    • Menatra satria mbola tsy manana namana na miteny amin’ny fiteny hafa.

    • Malahelo satria manina ny fonenany.

    • Matahotra satria ______________________.

  3. Asao izy ireo.

    • “Te hilalao miaraka aminay ve ianao?”

    • “Andao hiaraka hipetraka.”

    • ____________________________

  4. Aoka ho tsara fanahy sy tia manampy.

    • “Andao hiara-hisakafo antoandro amiko.”

    • “Ity no zavatra ataontsika manaraka.”

    • _______________________________

  5. Mianara zavatra avy amin’izy ireo.

    • “Inona no kilalao tena tianareo indrindra?”

    • “Ahoana ny filaza izany amin’ny fiteninareo?”

    • _________________________________

  6. Raha hitanao fa raisin’ny olona tsy ara-drariny izy ireo dia:

    • Mitenena ho azy ireo.

    • Miresaha aminy na milalaova miaraka aminy.

    • ____________________________

Friend, July 2021 Tier 2

Sary nataon’i Abby Carter